Angôvo sy fanjifana – Tokony hihàtra ny vidin’ny solika tena izy

Isambilo

Hatramin’izao dia mbola tsy mihàtra ihany ny vidiny tena izy ho an’ny solika eto amintsika, eo amin’ny sehatry ny angôvo sy ny fanjifana. Iaraha-mahalala amin’izao fotoana, indrindra tamin’ny tena nipariahan’ny valanaretina coronavirus be tany Chine, sy tany Eoropa, ary mbola mitohy hatrany Etazonia sy Amerika Atsimo izany ankehitriny, nidina be ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary efa niiba mihitsy aza izany vidin’ity volamena mainty ity izany maneran-tany.

Ny dikan’izany, tokony hanaraka izay fidinana izay koa ny amin’ny tsena hafa ivelan’ireo firenen-dehibe ireo aty aoriana kely ary efa tokony hihàtra izany fampiharana ny vidiny tena izy izany, izany hoe tokony efa hijotso io vidin’ny solika io aty Afrika, toy ny aty amintsika aty Madagasikara. Toa mihazohazo, miziriziry eo anefa io vidin-tsolika io. Ny fanazavana nomen’ny fitondram-panjakana tamin’ny fihaonana tamin’ireo Parlemantera eto amintsika dia ny ao amin’ ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena, tamin’ny fivoriana ara-potoanany farany teo dia ny hoe: mbola ananan’ny mpandraharah’ny solika vola ny fitondrana, ka ho fanilihana izany dia tsy ahetsika aloha ny vidin’ny solika na efa tokony hidina aza, ho famenoana izay banga tokony ho fenoina izay.

Arak’izany, ny mpanjifa dia ny vahoaka hatrany no mizaka ny tsy eran’ny ainy satria tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana izany matoa ananan’ny mpandraharahan’ny solika vary mangatsiaka izy ireo. Amin’izao fandalovan’ny vahoaka fahasahiranana mafy izao indrindra no tokony hihàtra io vidiny tena izy io, satria efa saika tsy zakan’ny rehetra intsony ankehitriny ny vidin’ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro. Ny lalànan’ny tsena, rehefa tokony hidina ny vidin-javatra iray nefa tsy ampidinina dia misy fiantraikany amin’ny vokatra hafa izany, satria feno ny banga tokony ho fenoina amin’ny vidin’ity loharanon’angôvo ity, fa amin’ny sehatra hafa kosa indray no lasa banga dia misy fanongam-bidy amin’izany vokatra hafa izany. Amin’izao fampiharana ny fahalalahana ara-toekarena izao dia tsy tokony hisy intsony izay tsy fampiharana ny vidin-javatra tena izy izay. Rehefa tokony hidina ny vidin’ny zavatra iray dia aleo hidina, rehefa tokony hiakatra koa dia tokony ho toy izay. Mifanipaka beny ihany mantsy ny zavatra nolazain’ny mpitondra mahakasika ity solika sy ny mpandraharahan’ny solika ity, misy amin’ireo mpitondra no efa nilaza fa tsy ananan’ny mpandrahara vola intsony, ny hafa kosa mandiso izany. Hatreto, mifanipa-kevitra hatrany ny ao ambony ao, ka mivaralila toy izany koa ny firenena.

Azo lazaina ho mitombo ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fitondrana Rajoelina, mampikorontana ihany koa amin’izao fotoana ny ady amin’ny valanaretina coronavirus. Atao ny fihibohana tanteraka nanomboka omaly, inona no zava-nisy, mbola maro ny olona nivoaka an-dalambe, ny fitohanan’ny fifamoivoizana mbola nisy tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra. Tokony hieritreritra Rajoelina sy ny forongony mahakasika izany, ny Filoha moa dia efa tsy niaka-tsehatra tamin’ny haino aman-jery intsony ny alahady teo, heverina fa efa tsapany ny tsy fahombiazan’ny fanazavana rehetra nomeny tany aloha, dia aleo ny hafa indray ve no ho maimbo eo? Izy tsy hisy fialana bala, fa tsy maintsy samy ho kofona ao ianareo mianakavy amin’ny farany!