EDITO 7 Jolay – Mizaka ny mafy ny vahoaka amin’ny fanapahan-kevitry ny mpitondra

Helisoa

Dia miverina amin’ny fihibohona tanteraka indray Ra-Malagasy nanomboka omaly alatsinainy satria miakatra be ny tahan’ny olona voan’ny CORONAVIRUS eto amin’ny firenena. Ao anatin’izany indrindra dia tsy hoe misakana na manohitra ny fanapahan-kevitry ny fanjakàna mikasika izany ny gazety Ny valosoa vaovao fa mametram-panotaniana kosa hoe mba misy ve ny fiahiana ny resaka ara-tsosialin’ny mponina izay efa latsaka ankaterena ankehitriny?

Raha nihaino ireo minisitra niresaka tamin’ny onjam-peom-pirenena sy ireo haino amanjery maro mantsy dia fanononana ireo fepetra isankarazany ary fanaovana dokam-barotra ny CVO no nibahana tao. Ny fampiorohorohoana vahoaka moa manginy fotsiny. Manamafy izany ny fanambaràna nataon’ny filoha Marc Ravalomanana hoe mila hovaina ny fanaovana serasera mikasika ny CORONA ity fa tsy mety ny misy amin’izao.

Efa hatrany amboalohany mihitsy hoy ity farany no tsy nisy ny mangarahara mikasika izany. Lasa sakana amin’ny fanaovan’ny olona ny tokony ataony ny fampitahorana. Miaina ao anaty tebiteby sy tahotra ny Malagasy. Miaramila an’arivony ankehitriny no ampiasain’ny fanjakàna hifehezana ity CORONA ity hanerena ny vahoaka tsy hivoaka ny trano.

Dia zavatra toy izany ve no tsara indrindra? Raha misy ny fanapahankevitra raisina tompoko dia tsy maintsy misy ny fepetra raisina mifanandrify amin’izany. Vahoaka noana sy ketraka anie no misy eto e! Ny manakatao afaka manao provision fa ireo maro an’isa; aiza no alehany? Fantatry ny fanjakàna ve izany amin’izao vahoaka mizaka ny mafy amin’ny fanapahankevitra raisina tsy misy mesure d’accompagnement izao?