EDITO 30 Jona – Mandeha an-jambany fotsiny ny mpitondra sy ny vahoaka

Sôh’son

Mifarana ity ny volana jona, hivalona ny enim-bolana voalohany ary misasaka ny taona. Telovolona sy tapany eo izao no nidiran-kizo ao anatin’ny fiatrehana ny valan’aretina covid-19, ary zary miha-kizo hatrany izany raha ny fahitana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Ny an’ny fitondrana efa raharaha tadiavina io, fa ny vahoaka tsy manan-tsiny ity no sempotra mafy miady amin’ny fahasahiranana lalina ara-tsosialy. Ny fepetra natao rehetra ity toa langilangy na kanonta zozoro manoloana ny hamafin’ny “vatolampin’ny krizy ara-pahasalamana” nijoloan’ny firenena, hany ka tsy hita firy izay akony. Toa tsy hitan’ilay vahoaka Malagasy intsony izay hitondrany mazava ny fiainany isan’andro eo am-pandrenesana ny vaovao samihafa, fa zary mandeha an-jambany izany na mandeha fe mandeha fotsiny mamonjy ny asa fivelomana sy ireo adidy aman-draharaha samihafa. Porofo iray amin’izany, ny fahasahiranan’ny fitondrana mampita ny fepetra sy ny fihetsika amam-pitondrantena tokony horaisin’ny olom-pirenena isaky ny avy mamoaka ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana isaky ny tapa-bolana tato anatin’ny telovolana mahery izay.

Etsy ankilan’izany, vahaka ny sain’ireo ray aman-dreny maro, fa tsy hitany be ihany izay fepetra mazava raisin’ny fitondrana momba ny amin’ireo fianaran-janany. Sahiran-tsaina mafy ireo manan-janaka hiatrika fanadinam-panjakana ny amin’ny hoe rahoviana marina ny datim-panadinana. Tsy latsaka izay koa anefa ireo ao anaty kilasy antenantenany, fa mifarana ity ny taom-pianarana, telovolana mahery tsy nianatra ny mpianatra, takian’ny sekoly ihany, amboletra na dia mody atao ankolaka aza, ny fandoavana ny saram-pianarana rehetra. Ahoana no fomba hamenoana ny banga amin’ny fahaizan’ireo mpianatra an-tapitrisany maro ireo? Tsy maintsy misy akony amin’ny fianarana rantoviny sy ny hoavin’izy ireo any aoriana izany raha tsy tafarina. Tsy misy miresaka izany anefa na ny fikambanan’ireo sekoly tsy miankina, na indrindra ny fanjakana tompon’andraikitra izay tsy mahita ho ambara amin’izany na kely aza. Ho an’ny ray aman-dreny dia tsy mahita vahaolana mihitsy hatreto na ny sekoly na ny fitondrana momba izany. Raharaha iray lehibe tsy misy fanafany io seha-pampianarana io hatreto, fa zary mandeha an-jambany fotsiny.

Na miezaka mandamina aza ny fitondram-panjakana dia tsapa sy hita fa lalan-tsarotra tanteraka no diavin’ny firenena ankehitriny. Ny manahirana aza, ho an’ny mpandinika ny raharaham-pirenana sy mpanara-baovao, dia indraindray iniana entina amin’izany làlana izany ny firenena. Dia samy misaintsaina lalina izany eo ny rehetra.