26 jona 2020: tsy fetim-pirenena fa fetin’ireo nampindramin’ny vahoaka fahefana

Andry Tsiavalona

Afaka milaza izany izao ny mpitondra amin’izao Repoblika IV-2 izao, fa tena manana ny fiandrianany sy ny hambom-pony tokoa ny Firenena malagasy tamin’ny fankalazana ny faha enim’polo taonan’ny namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantenany, satria nosakanana tsy nanatrika ny matso nataon’ny foloalindahy teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ny vahoaka Malagasy, izay maha firenena ny firenena.

Tsy misy afaka mandà fa ny vahoaka tokoa no « Fanjakana » ary miaro azy ny foloalindahy, kanefa amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao dia tsy izy no narovana tamin’ity 26 jona 2020 ity, fa ny mpitondra satria ny vahoaka no manaparitaka ny Covid-19, ka tsy mahazo miharo amin’ireo nomeny ny fahefana izay sarobidy tokoa ny ainy noho ny an’ny mponina mpampindrana fahefana sy mpandoa ny karamany.

Nivadika ho faritra mena mantsy ny teny Analakely, ka voasakana avokoa ny làlana sy ny elakelan-trano nahafahana niditra tao. Toa toy ireny nahiana nanani-dapa ireny ny vahoaka ary toa tsy misy ny fandriampahalemana satria raha sakana tsotra no natao dia tsy miaramila zandary ary polisy mirongo fiadiana no nanao ny sakana. Azo heverina fa tsy misy ny fiandrianam-pirenena, ny hambompom-pirenena raha tsy miaina ao anatin’ny fandriampahalemana, manana fari-piainana mendrika ny maha olona, fa tsy mahantra fadiranovana, misitraka ny vokatry ny harena misy ao amin’ny taniny, manana falalahana maneho hevitra ny mponina rehetra tsy misy ankanavaka.

Raha ny toe-javatra iainan’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao dia mbola lavitry ny afo ny kitay satria ao anatan’ireo firenena efatra mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara ary ny 92% ny vahoaka dia miaina ao amin’ny taham-pahantrana ambany indrindra (au-dessous du seuil de pauvreté). Tsy mbola mahavita tena ara-tsakafo, mbola manjaka ny tsy fanjarian-tsakafo ary tsy vitsy ny misakafo ambany foitra sy tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro sisa. Tsizarizary ny fitsaboana ary rehefa tsy manam-bola dia tsy afaka mitsabo tena any amin’ny hopitalim-panjakana kanefa dradraina fa maimaimpoana izany. Very tanteraka ny vakoka sy ny kolontsaina ary ny soa toavina maha malagasy.

Amin’izao fotoana izao dia milaza ny hanova ny tantaram-pirenena ny mpitondra satria tsy nisy zava-bitan’ny fitondrana nifanesy nandritra ny enim-polo taona, ka hanangana izao fotodrafitrasa nofisina ao anaty ririnina rehetra izao kanefa dia ny efa nataon’ny mpitondra teo aloha ihany no japiana dia lokoina amin’ny lokon’ny antoko politika eo amin’ny fitondrana.

Marary ny firenena kanefa tsy manana vahaolana aroso hanasitranana ny aretina mihàtra amin’ny sehatra rehetra fa mitsambiki-mikipy, ka mbola mitondra ny firenena sy ny vahoaka ho any amin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana sy ny fikorosoam-pahana. Tsy ny fananganana trano mijoalajoala etsy sy eroa, tsy ny fanorenana ozinina hanaovana fiarakodia, tsy ny fanorenana sekoly manara-penitra amin’arivony, tsy ny fananganana ozinina mpanao fanafody no hampivoatra ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy satria toa bizina ataon’ny mpitondra hampitombo ny vola ho any am-paosiny izany.

Raha izao toe-draharaha izao no mitohy dia tsy hisy izany hambompom-pirenena sy fiandrianam-pirenena izany ary mbola maro ny ho menatra amin’ny maha Malagasy azy.