TIKO – Vokatra Malagasy

Isan’ny vokatra reherehan’ny Malagasy amin’izao tontolo izao ny vokatra TIKO.

Raha vao tonga ao Botswana 🇧🇼 South Africa 🇿🇦 Namibie 🇳🇦 Malawi 🇲🇼 Congo 🇨🇩 ary Zambie 🇿🇲 ny vokatra Malagasy TIKO dia fandrobahan’ireo namantsika Afrikanina. Produit de luxe sy Produit de qualité ny feheveran’ny Afrikanina azy.

Indrindra moa ny Marna Gold izay mahagaga azy ireo satria margarine matsiro noho ny tobera misy any amin’izy ireo nefa dia margarine. Ny bon beurre kosa dia tena mampiaiky volana azy ireo ny tsirony. Manjary mifantoka ao an-tsaina ireo Afrikanina namantsika ny hoe « Mahay zavatra ny Malagasy ».
Made in Madagasikara, tompony Malagasy, TIKO vita Malagasy.

Azo lazaina fa isika no mpamokatra tobera sy margarine tsara indrindra aty Afrika. Nanaiky ny fahaizantsika mihintsy mantsy ireo firenena Scandinave sy Nordique tamin’ny fahaizana manao tobera io dia ny Marna Gold sy Good Butter 🧈 izay tsara tsiro hoy izy ireo.

Ny mpamorina ny TIKO raha teo dia nandrato fianarana Agroalimentaire tany Helsinki (Finlande) tamin’ny taona 1975-1979 ary nanangana ny Groupe TIKO ny taona 1982.

FB Aina Rasolo