26 Jona 2020 – Paris – Asaramanitra – Arovako ny Rova fa Lovako – Hetsika Maitso Fotsy Mena

Teo anoloan’ny Ambasady Malagasy tao Paris, ny zoma 26 Jona 2020, andro fankalazana ny fetimpirenena, no nosafidianan’ny “Hetsika Maitso Fotsy Mena” hanehoana ny tsy fankatoavana ny fananganana ny Colisée ao Anatirova.

Nanazava ny ara-tantara Andriamatoa Andrianaivo Ravelona, mpanao hosodoko fanta-daza, izay nampiaraka izany fanazavana izany tamin’ny alalan’ny sary tanana izay nataony tamin’io fotoana io.

Tao anaty ny resaka nifanaovan’ireo nanotrona dia nisongadina mafy ny hevitra fitakiana ny fandrodànana io Colisée io izay mamono ny hasina maha-vakoka ny Rova Manjakamiadana.

Tao anaty firahalahiana no namarànana ny fotoana tamin’ny resadresaka niarahana tsakitsaky sy fialàna hetaheta.

Mitohy ny hetsika ny asabotsy 4 Jolay.

Ny Valosoa Vaovao