Andry Rajoelina – Nivoaka nisidina ivelany mangingina, fa misy inona?

Raha marina ny feo mandeha fa lasa nisidina any ampitan-dranomasina ny filoha Andry Rajoelina tao aorian’ny matso natsatso nankalazàna ny faha-60 taonan’ny fahaleovantena ny zoma 26 jona teo iny, dia mahagaga fa toa nangingina ary amin’ny fomba ankinafina tsy araky ny fomba fidedahana fanaony.

Mahazatra loatra ny fampanantenana poakaty, ny lainga tsara lahatra, ny hadedahana, ny tsy fisian’ny mangarahara, ny fitantanana gaboraraka ka mampanontany tena indray hoe inona indray ity? Voaantso sa hikononkonona tetika bizina sy fampanantenana hafahafa indray, toy ny fiara na moto Gasy Car? Sa nandeha naka rivotra lany henatra sy reraky ny mandainga? Hivarotra CVO ve? Hiresaka momba ny Colisée ve? Mandeha daholo ny lokaloka.

Raha marina tokoa izany fivoahana any ivelany izany dia mazava ny antony nandraisan’ny praiministra an-tanana ny fitenenana teo amin’ny haino amanjerim-pirenena momba ny fepetra mikasika ny hamehana ara-pahasamana sy ny vaovao mikasika ny ady amin’ny valanaretina coronavirus. Tsy eto an-toerana ny filoha. Tsy eto tokoa izy hilaza hoe tsy voafehy ny valan’aretina. Ny praiministra no niandraikitra nitondra ny teny fa miezaka mifehy ny valan’aretina indray izao fa tsy hoe voafehy intsony no fiteny.

Na inona na inona antony nandehanan’ny filoha any ivelany, indrindra amin’izao fotoana mbola mampiato ny sidina izao, dia kely raha tsy azo atao hoe tsy misy ny fanantenana hampisy fiantraikan’izany eo amin’ny sosialimbahoaka sy ny ara-toekarena. Efa reraky ny fampiesonana ny vahoaka. Mitohy ny fitadiavana isanandro.

Lanzelo