NIDIRAN-TSAMPONA NY FETIM-PIRENENA

Nidiran-tsampona ny fetim-pirenena,
Fa nangina sy tsaroana ho natsatso.
“Manan-kaja” no indreo nanava-tena,
F’izy irery no nanotrona ny matso!

Nidiran-tsampona ny fetim-pirenena.
(Ireo nanao harendrina aza, norarana!)
Fahaenimpolo taona mahonena.
Avy amin’iza ry mpitondra fanjakana?

Nidiran-tsampona ny fetim-pirenena,
Fa ny aretina vao mainka tena mihanaka.
Ry mpitondra vonton’ny fitiavantena,
Mihevera fa mijaly ireo taranaka!

Nidiran-tsampona ny fetim-pirenena.
Moa ny velirano ve no lasa ozona?
Ry mpitondra o! mba meteza handini-tena
Fa ny sezanao toa efa mihozongozona!

TSIMIMALO (26-06-20)