RMDM – QG Belera – Alakamisy 18 Jona 2020 – 11 ora – Hisy fanambaràna lehibe manoloana ny toe-javatra eto Madagasikara

Mampiantso ny mpanao gazety eny amin’ny ivo toerany eny Belera ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM noho ny zavamisy eto amin’ny firenena.

Mikorontana ny fitantanan-draharaham-pirenena . Tsy misy ny mangarahara amin’ny fitantanana. Tsy mitovy ny feo mivoaka eo amin’ny filoham-pirenena sy ny governemanta ary miteraka fisavorovoroana eo amin’ny saim-bahoaka.

Miha-sahirana ny Malagasy eo amin’ny lafiny rehetra, saingy tsy misy ny famahana olana matotra sy maharitra avy amin’ny fanajakana. Ny vahoaka madinika no lasibatry ny fampiharan-dalàna, fa ny ankoatr’izay dia miseho ambony ny lalàna avokoa.

Koa handray andraikitra ho fanavotana ny vahoaka sahirana ny RMDM ary hanao fanambarana lehibe rahampitso alakamisy 18 jona 2020 amin’ny 11 ora maraina eny amin’ny ivo toerana Belera.