Rina Randriamasinoro – Tsy mifandray ny laharampahamehana ho an’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana

Salama tsara i Rina Randriamasinoro, sekretera jeneralin’ny antoko TIM.

Hatramin’ny fotoana nandraisan’ny fitondram-panjakana fanapahankevitra hiditra amin’ny fahamehana ara-pahasalamana tamin’ny volana marsa ka hatramin’izao, dia miha-miditra lalina ao anaty krizy ara-pahasalamana, ara-tsosialy, ara-ekonomika, ary na demokrasia àry tsy misy intsony.

Raha ny antoko TIM no teo amin’ny fitondrana, dia tsy niditra teto izany coronavirus izany.

Misy tsy fitovian-kevitra betsaka ao amin’ny governemanta. Raha miteny ny filohan’ny repoblika hoe izao no fepetra raisina androany, dia tsy tanteraka ny governemanta.

Ny antoko TIM dia efa nanome tanana tany amboalohany, hanambatra ny hery velona rehetra hiadivana amin’ny valan’aretina, fa tsy nisy valiny. Ary ny fanehoankevitra rehetra natao dia lasa noraisina ho fankahalàna ny fitondrana. Ka hatreto izahay dia mijoro foana, milaza ny zavatra tsy mety ary tsy manaiky ny zavatra tsy mety.

Bainga, vavolombelon’ny asa!

Tsy mifandray ny laharampahamehana ho an’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana.

17.06.20 RINA RANDRIAMASINORO TSY MIFANDRAY NY LAHARAM-PAHAMEHANA HO AN'NY VAHOAKA SY NY FITONDRAM-PANJAKANA

Publiée par MBS sur Mercredi 17 juin 2020