AZ TV – Fidèle Razara Pierre – zoma 5 jiona – ministry ny fanabeazana Rijasoa Andriamanana Josoa notazomin’ny filoha dia voadaka

Nametra-pialàna ny ministry ny fanabeazana, izay nolavin’ny filoha ary ny ampitso ihany anefa dia nodakany. Hiverina handray dolara indray izany, rehefa avy niafy nandray ariary?

Manao fitondrana tsara tataka ny governoran’Alaotra Mangoro. Mahita mandany volam-bahoaka ividianana yaourt 8.000 ariary ny singany iray, ao anaty fanasàna. 3.200.000 ariary izany ho an’olona miisa 400. Ahoana ny fanazavana an’izany? Mila asiana fijeren’ny tompon’andraikitra ny fomba fitantanam-bola any an-toerana.