Andry Rajoelina – Natao “fusible” ny ministry ny fanabeazana amin’ny raharaha “bonbons CVO” 8 miliara ariary

Tsipaky ny fitondrana … ka raha mahavoa mahafaty tsy mahavoa mahafanina. Izany, amin’izao fotoana izao no mahazo izay manembatsembanana ny fitondrana amin’ny dokambarotra tiany voizina mikasika ny tambavy CVO, na koa fanaratsiana ny fitantanany ny ady amin’ny valan’aretina coronavirus. Ity indray nitoraka ity dia ny ministry ny fanabeazana no nahalala ny anarany fa natsefotra omaly faha-4 jiona tamin’ny toerany ny tenany, hiarovana ny filoha hajaina amin’ilay pitikafo narehitry ny raharaha “bonbon” mitentina 8 miliara ariary.

Amin’izao fivorian’ny antenimieram-pirenena ara-potoana izao dia nametraka fanontaniam-panazavàna tamin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy, mikasika ny famoaham-bola 8 miliara ariary hanefàna “bonbon”, ary omaly no tokony namalian’ny ministra izany. Nanambara tamina haino aman-jery mantsy ramatoa Rijasoa Andriamanana Josoa fa tsy namoaka izany vola izany, ary hoe nanajanona izay fikasàna hividy “bonbon” izay fa hijery tetikasa hanasoavana ny fanabeazana. Kinanjo, haino aman-jery hafa indray àry ity no nahafantarana fa misy baoritra maromaro feno “bonbon” ao amin’ny tranon’ny ministeran’ny fanabeazana. Koa avy aiza àry ny vola ary inona ireo “bonbon” ao amin’ny tranon’ny ministera ireo? Etsy akaiky, araka ny vaovao re dia natao ho an’ny mpianatra ireo “bonbon” ireo, hanalàna ny mandigy rehefa misotro ny tambavy CVO.

Gaga sy talanjona ny tena fa inona no nitranga omaly? Namoaka didy ny filoha hajaina Andry Rajoelina fa nesorina tamin’ny toerany ny ministry ny fanabeazana ramatoa Rijasoa Andriamanana Josoa, ka ny ministry ny fampianarana ambony no misahana vonjy maika ny fitantanana. Natao “fusible” hoy ny fomba fiteny. Ka ho azo ve ny valinteny mikasika ny fanontaniana napetrakin’ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy?

Ao ireo anaovana ramatahora, ao ireo gadraina na samborina amin’ny fomba fanaparam-pahefana noho ny famoaham-baovao manelingelina, isan’izany ny mpanao gazety, olon-tsotra, mpanohitra, eny fa na dia mpitsabo aza. Ao ny maty lazaina fa namono tena nisaringotra tamina tadina seraoma eo amin’ny tendany. Ankehitriny dia efa manakaiky ny fitondrana ilay tsipaka, dia tratra aloha izany ny ministry ny fanabeazana. Ahoana ny amin’ireo ministry ny vola sy ministry ny atitany izay tsy maintsy mahalala ny antsipirian’io raharaha “bonbons CVO” io?

Lanzelo