Herisetran’ny fitondrana – Mijoro ny loholona sy ny zanak’i Toamasina

Nijoro ary nanameloka tanteraka ny fampiasan-kery nataon’ny mpitandro filaminana amin’ny vahoaka ao Toamasina ireo olona voafidy tao amin’ny faritra. Ady amin’ny valan’aretina no atrehina kanefa ireny no zava-nisy. Raha nitaky ny zony ireo vahoaka izay efa tsy misy atokona intsony noho ny fihibohana dia herisetra sy daroka no setriny.

“Tsy manda velively izahay amin’ny nandefasanareo ireo andian-tafika any Toamasina raha toa ka hampandry fahalemanana, raha ohatra ka hanampy ireo mpiasan’ny fahasalamana hiatrehana ny valan’aretina COVID-19. Fa raha ataonareo hery famoretana, hery fampihorohoroana ny vahoaka dia melohinay tanteraka izany”, hoy ny loholona Jean Remis.

Nanampy ny loholona Malo Benoît fa”Tsy Tamatave no faran’olo indiscipliné tsy manaraka ny lalàna. Fantatr’i Tamatave izany valan’aretina izany. Kanefa raha ampiarahana amin’ny herisetra izany dia hitanay hafahafa ihany”.

Tsy ny vahoaka no mafy loha fa ny tosika sy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana no tsy misy intsony. Rariny raha mitroatra ny vahoaka satria tsy misy intsony ny atokona.

Nitaky ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana ny zanak’i Toamasina. Hoy izy:”Fa maninona no rehefa vahoakan’i Toamasina no mitaraina naona sy mosary dia tsy misy fandraisana andraikitra mivaingana fa lalaovina amin’ny politika. Aiza ny tsena mora? Aiza ny vary mora? Aiza ilay fanampiana tosika. Iangavianay amin’ny fanjakana mba tsy ho lalaovina ao anaty ny aretina ny vahoaka malagasy ary hanao ny mangarahara. Tara ny fandraisana andraikitra”.

Vaovao MBS

‘https://youtu.be/dpF8JzfjOc4

‘https://www.facebook.com/1089951131159908/posts/1685996894888659