Androhibe – Laboratoara CDC lasa LA2M – Mamofona fifanolanana ara-tombontsoa na “conflit d’intérêt”

Notokanana tamin’ny taona 2018 ary niaraka tamin’ny tsangambato mihitsy ny Laboratoara CDC na Control Disease Centre Madagasikara eny Androhibe, ary fanananam-panjakana. Ny profesora Yoël Ralantomalala no angady nananana sy vy nahitàna azy ary tokony ho ivo toerana natao fanarahamaso ny aretina mifindra, toy ny pesta, ny raboka, ny vih/sida, ny filariose.

Ankehitriny anefa dia novaina ny anarana ka nanjary LA2M na “Laboratoire d’analyses médicales malagasy”, ary dia verenana ho tokanana indray.

Fantatra ihany koa fa efa nisy laboratoara fanaovana “test PCR” tao amin’ny HJRA izay niandry fitokanana, ary efa vonona ihany koa ny teknisianina, saingy tamin’ny ora farany dia tsy tanteraka ny fitokanana.

Izao dia fantatra fa nafindra any amin’ity LA2M ity ny fanaovana “test PCR”. Ary dia izao vonona handray fitokanana faharoa izao.

Ny mahagaga dia ivo toerana efa an’ny fanjakana tanteraka ity CDC ity, ka inona no antony nanovàna ny anarany ho lasa LA2M sy ny nandokoina azy amin’ny lokon’ny fikambanana misy ifandraisany manokana amin’ny filohampirenena.

Izay ve no antony nisian’ny disadisa teo amin’ny fanjakana sy ny Institut Pasteur (IPM), izay mbola tsy niravona hatramin’izao? Manao ahoana ny saran’ny fitiliana ato amin’ity laboratoara LA2M ity? Ny saran’ny fitiliana coronavirus dia 20$ na 80.000Ar. Ny IPM dia nanao ny fitiliana maimaimpoana hatreto ary tsy mbola nisy ny famatsiambola azony.

Vaovao MBS