Fitondrana – Mpanimba vakoka – Destructeur de patrimoine – Heritage destroyer

#Rajoelina #Vakoka #Rova #Patrimoine #Destruction
(Version française, ci-dessous)

Voahitsaka ny hasin’ny vakoka malagasy ary voahitsaka ihany koa ny ambopon’ny Malagasy. Izay ve no tian’ity fitondran’i Andry Rajoelina hahatongavana? Ravàna sy ovaina amina endrika tsy misy fifampidinihana na mangarahara ireo vakoka maro, raha tsy hilaza fotsiny ny amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra, ny Rovan’i Manjakamiadana, ny Paositra ao Antaninarenina.

Mampametra-panontaniana hoe lasa adala ve ny filoha sa tena fanahy iniana izao fanovàna sy fandravàna rehetra mamoa fady miseho izao? Mbola tsy ampidirina àry izany ny tetikasa fanotofana ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka na ny fandrodànana ao amin’ny kianjan’i Mahamasina, izay sady misy fanimbàna ny lafiny maha-vakoka azy no tsy mitombina raha ny laharam-pahamehanana ho an’ny vahoaka malagasy no jerena.

Ny firenena eran-tany dia manao izay itahirizana ny vakoka nolovaina ara-tantara ho tombontsoan’ny firenena sy ny taranaka, ary raha toa ka misy ny tetikasa fanavaozana dia tandrovana mafy ny tsy hampiova ny endrika na ny rakitra ara-tantara voizin’ilay vakoka. Ary izay koa no hahafahan’ireo mpampizahantany mirehareha mitondra sy manazava ireo vahiny ny harena raiketin’ilay vakoka.

Ankehitriny dia sady tezitra no malahelo ny tena fa sendran’ny mpitondra adala, be setrasetra sy tsy manaja izany hasina izany intsony, na vakoka io, na andrimpirenana io, na lalampanorenana, na ny maha-olona, na ny manam-pahaizana… Maizina ny lanitra ary na ny tany aza nitaraina nihovotrovotra andro vitsy lasa teo. Soa fa mbola tsy azo foanana ny fananan-kevitra na dia misy aza ny ramatahora ataon’ny mpikarama an’ady sy mpisolelaka rehefa te-haneho hevitra tsy mety amin’ny fitondrana. Saingy ny zavamisy aloha dia tsy azo sakanana intsony ny fivezivezen’ny vaovao.

Raha idirana amin’ny antsipiriany ireto vakoka vitsivitsy ireto dia izao no zavamisy:

Ny lampan’Ambohitsirohitra dia noravàna ireo trano roa andaniny sy ankilay eo amin’ny fidirana.

Ny Rovan’i Manjakamiadana dia tefy voretra tsy manaja ny firafitra sy ny haingony teo aloha no nanaovana ny ao anatiny, ary noravàna ny dobo-dranon’ny mpanjaka Ranavalona III hanamboarana « Colisée ».

Ny Paositra Antaninarenina dia ovaina amin’ny endrika toy ny tranombaratra rehetra eny

Aleo àry hiteny ny sary !

Lanzelo

(Version française)
Que dire d’un président qui défigure un monument classé patrimoine national de son pays? Mais encore plus, un président mégalomaniaque qui contribue à des destructions patrimoniales volontaires sur des bâtiments officiels.

Des menaces pèsent actuellement sur le patrimoine de Madagascar, notamment sur celui de la capitale Antananarivo (Tananarive) et qui, elles, ne doivent rien à un accident. Il s’agit bien de destructions patrimoniales volontaires, menées sous la direction du gouvernement, sur des bâtiments officiels. Interrogée pour connaître les justifications de ce vandalisme, la présidence de Madagascar n’a formulé aucune réponse.

Le Palais d’Ambohitsorohitra
Une résidence présidentielle édifiée à la fin du XIXe siècle par l’architecte français Antony Jully, un beau bâtiment néo-XVIIe qui est – ou plutôt qui était – formé d’un corps principal et de deux ailes indépendantes, situées sur la rue de part et d’autre de l’entrée, et reliées l’une à l’autre par la grille d’entrée.
Les deux ailes sur rue viennent d’être détruites sans autre forme de procès, pour des raisons qui restent mystérieuses.

Le Rova de Manjakamiadana
Edification en deux étapes au XIXe siècle, d’abord construit en bois par l’architecte français Jean Laborde à la demande de la reine Ranavalona I, puis habillé d’une façade de pierre par l’architecte écossais James Cameron. Victime le 6 novembre 1995 d’un incendie dont la cause n’a pas été identifiée. Vol de la couronne de la reine Ranavalona III sous le régime de transition d’Andry Rajoelina.
Hideux bétonnage en règle avec un simili plafonnage et mural en bois industriel avec des motifs imitant grossièrement des figures artisanales de la marqueterie traditionnelle.
Construction d’un « Colisée » en place du bassin de Ranavalona III.

La Poste d’Antaninarenina

Très bel exemple d’architecture Art déco, pratiquement intact avant les travaux, édifice construit par l’architecte Jean-Henri-Alexandre Collet de Cantelou.
Les travaux en cours vont avoir pour effet de totalement supprimer le caractère Art déco pour transformer cela en… rien du tout, au mieux un édifice à l’esthétique de centre commercial.

Liens:

La Tribune de l’Art
https://www.latribunedelart.com/le-patrimoine-d-antananarivo-en-danger

Le Rova d’Antananarivo
LE ROVA D’ANTANANARIVO (1ère partie)

Rakibolana malagasy

Maro isika no nanontany hoe aiza ilay Kianjan'ny Masoandro no atao:Sary1: Dobon'i Ranavalona faha 3Sary2: Kianjan'ny Masoandro 2020

Publiée par Justice Madagascar sur Jeudi 21 mai 2020