Pulitzer 2020 taranja ‘International Reporting’ – Nibata ny loka ny New York Times – Arahabaina i Gaëlle Borgia

Loka mitentina 15.000 dolara no azon’ny New York Times tamin’ny lahatsoratra miisa valo izay mampiseho ny tetika ampiasain’ny fitondràna Vladimir Putin hitrandrahana fahefana sy harena amin’ny fomba mahery vaika, ao ny fandraisana anjara amina fifidianana ary mety mihafara hatramin’ny famonoana olona.

Lahatsoratra iray amin’izy ireo no nosoratan’i Gaëlle Borgia, mpanao gazety mipetraka eto Madagasikara ary miara-miasa amin’ireo mpanao gazety vahiny fanta-daza toy ny France24, na TV5 Monde. Niarahany tamin’i Michael Schwirtz ny famoahana azy tao amin’ny New York Times tamin’ny 10 novambra 2019.

Nosinganina manokana tamin’izany lahatsoratra izany ireto sombitsombiny etsy ambany.

Lanzelo

 

Lahatsoratra iray manontolo amin’ny teny anglisy
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/05/Pulitzer2020-How-Russia-Meddles-Abroad-for-Profit.pdf

Araka ny lahatsoratra dia nisy ny fifampiresahana an-tsokosoko tany Moskoa tamin’ny martsa 2018, teo amin’i Hery Rajaonarimampianina sy i Vladimir Putin, ary i Yevgeny Prigozhin, izay olona akaikiny nanao ny fanelanelana no sady fantatra koa fa isan’ireo izay nanodinkodina ny fifidianana amerikanina tamin’ny taona 2016. Naharitra 30 minitra izany fifampiresahana izany. Ka ny fanohanana ny fampielezankevitra no anton-dresaka ary mazava ho azy fa ao ny takalony. Fitrandrahana harena toy ny fanaon’i Rosia eo anivon’ny firenena afrikanina maro hafa no tanjona tamin’izany fanohanana kandidà izany, ary isan’izany ny momba ny kraoma.

Nisy taratasy iray izay nosoniavin’i Hery Rajaonarimampianina nalefa tamin’i Oleg Vasilyevich Zakhariyash, tamin’ny teny frantsay, misy fitomboka “PROJET CONDIFENTIEL”, mangataka fanampiana tamin’ny rosianina hahafahana miala amin’ireo mpamatsy vola mahazatra mikasika ny fifidianana.

Nandeha ny fampielezankevitra ary rehefa tsikaritr’ireto rosianina fa kely ny fanantenana tamin’ilay “piano” – anarana nomen’izy ireo an’i Hery Rajaonarimampianina – dia nivadika tamin’i Andry Rajoelina izy ireo. “Maivana ilay piano, tsy hahavita azy fa mila mitady hevitra”, hoy i Yaroslav Ignatovsky, mpandrindra ny raharaha, tao anaty tararatasy voarain’ny fikambanana iray tany London.

Tetsy ankilany dia nitodika tamin’ny pasitera Mailhol koa ireo rosianina ka nanambara fa hiantoka tantera ny fampielezankevitra, rehefa nanazava fa nahazo fanambarana avy amin’Andriamanitra ny tenany fa ho lasa filohan’i Madagasikara. Tao anaty ny paikadin’ny rosianina koa ny hanariana dia toy ny nataony tamin’ny fifidianana amerikanina ny taona 2016. Ny kandidà Omer Beriziky koa dia nahazo dimy hetsy dolara hamatsiana ny fampielezankevitra. Ny kandidà Rasolofondrasola Zafimahaleo – Dama – dia notoloran’izy ireo vola fa nandà satria tsinjony fa tetika hitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany no tena votoatiny.

Rehefa nanakaiky ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana dia nangatahin’ny rosianina ny pasitera Mailhol hiala am-pandaharana fa tsy nanaiky ity farany. Notolorany vola koa ramatoa Rasamimanana, ka rehefa tsy nanaiky dia nanamboaran’izy ireo pejy Facebook fake maka tahaka ny ofisialy ary nampilazàna fa manohana an’i Andry Rajoelina.

Toy ny zava-nitranga tany etazonia dia tsy nazava loatra raha tena niara-niasa akaiky tamin’i Andry Rajoelina ny rosianina na tsia fa ny azo lazaina aloha dia nahomby ny tetika satria azon’ny rosianina ny fitantanana ny fitrandrahana kraoma. “70% no anjaran’ny rosianina amin’ny Kraomita Malagasy ary voasonia ny taratasy”, hoy ny tale Nirina Rakotomanantsoa.

Notsoahina tao amin’ny lahatsoratra nahazo ny loka Pulitzer 2020, nandray anjara Gaëlle Ramamonjisoa sy Prisca Rananjarison