COVID-19 – Kaominina Ivato tarihan’ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa – Sahirana 800 misitraka fanampiana

Efa nanao ny andraikiny ihany moa ny fitondram-panjakana kanefa fotoana ifanomezan-tanana izao ady atao amin’ny coronavirus izao, ary dia nandray ny andraikiny ny kaominina Ivato tarihan’ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa miaraka amin’ireo mpanolotsaina sy mpiaramiasa rehetra.

Niezaka izy ireo nanantona olona malala-tanana izay nanolotra fanampiana sy fanomezana, ary torak’izany koa izy ireo mpitantana ao amin’ny kaominina Ivato dia nanao izay ezaka vitany. Natao izany hanampiana olona 800 izay notsongaina teo anivon’ny fokontany 13, misy ireo tena sahirana sy ireo beantitra. Ny fanomezana dia nahitàna ohatra atody, voamaina, vary (telo zinga isanisany).

Hisy ny fanohizana matetitetika izao hetsika izao.

Ny Valosoa Vaovao