NAHOANA RE NO NODINGANINA IREO MPAMPIANATRA TSY MIANKINA ?

Tena hadino ny mpampianatra sa niniana nohadinoina,
Nefa mpiasa samihafa no nambara fa hantsoina?
Tsy natao anaty lisitra fa dia tena nodinganina?
(Nefa makorelina aza, hita fa tsy nohamaivanina!)

Noho ‘ty loza izay mihatra, marobe ireo “tena tapaka”
Ary tsy afaka hiasa, tsy mahita izay harapaka.
Hosinganina amin’ireny ireo mpampianatra tsy miankina,
Vao mihidy ny sekoly, ny rononony no tankina!

Saingy mahagaga loatra raha ny toy ireo indray
No dia hadinonao mpitondra tia miseho fa hoe “milay”,
Satria tsy misy iadiana hevitra fa raha ny asa fanabeazana,
Io no lehibe indrindra ho fanasoavan-tanindrazana .

Tsy mangataka izy ireo , na koa miteny hoe tsy mila,
Fa mijery am-pitoniana anao mpitondra mitanila.
Koa tsy mbola tratra aoriana raha mba misy ny asosoka.
(Tamin’ny fifidianana aza, nisy lisitra vorosoka!)

… Nefa izany no nekena sady nenti-nampandany
Anao mpitondra izay mijoro sy mitantana androany,
Koa hevero ireo mpampianatra fa tsy mora anie ny asany!
Amin’izao krizy izao, ny tolotananao no andrasany.

DADAN’i ZINA (02-04-20)