COVID-19 – Anosizato – Mpatory an-dalana 229 (ankizy 76, vehivavy 60, bevohoka 8) – Afenina ny mpanao gazety

FB Ny Valosoa Vaovao

#Anosizato #229 #COVID-19

Ahoana no afenina ny zavamisy ao amin’ny toby ao Anosizato hitazomana ireo mpatory an-dalana 229 noraofina tamin’ny fandraofam-pako.

Misy lehilahy (85), ankizy (76), vehivavy (60) ary valo no bevohoka.

Nahoana ny mpanao gazety no tsy avela miditra hanamarina raha manaraka ny fepetra ara-pahasalamana ny fitazomana azy ireo?

Te-hahalala izahay!

Fanamarihana:
Be kaonty fako manafika ity pub ity ary manao rodobe maro mielanelana. Nahoana àry?

(tohiny…)

Satria maro no misento amin’ity tantara ity dia izao no zava-nisy teny.

Nolazaina aloha fa mila miaro tena ireo mpanao gazety vao miditra ao @ toby. Dia nanao izany ny mpanao gazety. Dia niditra. Rehefa tafiditra indray dia nosakana ary noroahina hivoaka noho ny baiko nidina.

Raha tsy misy afenina sy manao ny asany @ fomba matihanina ny tompon’andraikitra dia tsy tokony ho olana ny mamela ny mpanao gazety hanao ny asany fampahalalam-baovao.

Fantaro koa fa ankoatran’ny mpanao gazety dia efa mandray anjara @ fampahalalam-baovao koa ireo olompirenena fa tsy manaiky ho pempoina lava intsony. Ireo dia sarotra vidimbola fa samy manana ny zavatra manentana azy.

Ka raha ny zo maha-olombelona no resaka eto dia tsy misy afa-tsy resaka zon’olombelona fa tsy izay antony nahatonga azy ireo ho mahantra.