COVID-19 – Zandary alika no ho alefa manenjika olona

Nanomboka androany ny asan’ireo alika zandary handroahana ny olona hody any an-tranony tetsy Ivato, Ambohibao ary Talatamaty.

Hatramin’izao aloha dia mbola mifatotra ireo alika izay tazomin’ireo zandary fa ho avy ny fotoana amelàna ireo alika ireo ka handeha hanenjika ireo olona izay mbola mandehandeha.

Tsy ny coronavirus intsony amin’izay no hampatahotra fa ny kaikitra alika sy ny hanoanana.

Vaovao nangonin’ny Valosoa

#COVID-19 #alika