Fizarana zavatra avy amin’ny mpanatanteraka : tsy handray anjara ny Depiote TIM

Nanapa-kevitra ny tsy hiditra amin’izay mety ho fizarana zavatra na vola avy amin’ny mpanatanteraka ireo solombavam-bahoaka TIM.

Ny antony voalohany dia efa ireo Depiote miara-dia amin’ny fitondrana no nandray an-tanana avy hatrany ny fikarakarana izany. Hita nefa fa misy endrika fanavakavana isan-karazany ao anatin’ny fitsirihana izay tokony hisitraka ireny fanampiana ireny ka mety hitarika fisaraham-bazana. Tsy te ho tomponandraikitra amin’izany ireo solombavam-bahoaka avy amin’ny Tiako I Madagasikara ka nanapa-kevitra nisitaka avy hatrany.

Faharoa dia mahatsapa fifanitsahan’andraikitra ny Depiote TIM satria asan’ny mpanatanteraka manontolo ny momba ireny fanampiana ireny. Manara-maso ny fomba anatanterahana azy no anjara asan’ny solombavam-bahoaka. Ao anatin’izany ohatra ny momba ny vola sy ny paipaika rehetra nahafahana nanatanteraka azy ireny. Ankoatr’izay dia tokony afaka mijoro mpanelanelana eo amin’ny vahoaka sy ny mpanatanteraka foana ny solombavam-bahoaka. Tsapanay Depiote TIM fa sarotra ny hiantsoroka izany adidy izany raha vao mitsabaka amin’ny andraikitrin’ny mpanantanteraka izahay.

Hamafisina arak’izany fa tsy tomponandraikitra amin’izay fizarana zavatra avy amin’ny fitondrana ireo solombavam-bahoaka TIM.