Coronavirus – Kabary Andry Rajoelina 22 martsa 2020 – Fepetra ho an’Antananarivo sy Toamasina

Fepetra mihatra manomboka ny alatsinainy 23 martsa ho an’Antananarivo sy Faritra Analamanga (… ao anaty faritra ve ny renivohitra???!!!) ary Toamasina:
– mijanona tanteraka ny fitaterana sy ny zotra nasionaly mampifandray an’Antananarivo @ faritra, mijanona koa ny taxibe, ny taxi, ny taxi-brousse, ankaotry ny fitaterana ny entana
– mikatona daholo ny fandraisana olona any amin’ny biraom-panjakana afa-tsy ny misahana ny fahasalamana, ny fitsarana sy ny filaminam-bahoaka
– tsy mahazo mivezivezy manomboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina
– misokatra ny grandes surfaces, ny grossistes, ny épiceries sy ny tsenam-pokontany; fa ny tsenam-pokontany dia misokatra @ 6 ora ka hatramin’ny 12 ora ary olona irayisan-tokantrano ihany no afaka mientsena
– misokatra ny pharmacie, ny station, ny banky- misokatra ny Jirama, ny voirie, ny haino aman-jery sy ny toerana fanaovan-gazety- ny orinasa tsy miankina dia manao izay tian’ny mpampiasa

Ny Valosoa