HO ANAO IZAY MPANAMBANIMBANY SY MPITENITENY FOANA

Tonga ihany ny mangidy, mby am-bava ny tsy telina,
Noho ireo hagegena maro ataon’ny fitondran-dRajoelina.
Dedaka sy matin-kambo saingy izao tsy misy hapoaka.
Tonga ihany ity ny loza, tsy voaaro ny vahoaka .

“’Ndeha hidio ny sisin-tany fa mandindona ny loza”
Hoy ny antso nifanesy ho an’ny “fitondrana foza”.
Saingy moa nihaino izany ry malaza ho bemarenina?
Ny sinoa indray no naidiny fa tsy laitra notenenina!

Vitany ny sitrapony, ny vahoaka tsy nohenoiny.
Ireo niseho mba nanakiana, ireny indray no nopempoiny.
Tsy fotoanany, hono, izao hoe hanomezan-tsiny ny hafa,
Izany indray no nolazainy tamin’ny resaka sy tafa.

Mby an-koditra ny voina vao indreo mipenimpenina.
Hita taratra sahady fa manomboka manenina.
Hay tsy vitam-bava be na koa karazana hafetsena,
Fa ilana fahendrena ny mitondra firenena.

Ho aiza intsony re ‘ty izy, hiroso ihany sa ahoana?
Izahay ve sa ‘nareo ilay hoe “mpiteniteny foana”?
Hainareo ny manambany ireo ilay “enina isan-jato”,
Saingy mba tantazo kosa izay ho vokany ato ho ato!

DADAN’i ZINA (22-03-20)