MILA MIHAINO IANAO MPITONDRA

Ry mpitondra be di-doha sy tena sarotra toroana,
Manavanana anareo ve ny miteniteny foana?
Ny avonavona amin’izany sy fiteny tsy voatandrina
Mampiaiky ny olon-kendry, maha te hisafo handrina!

Tsy manandratra anareo ny endri-javatra toy ireny.
Moa tsy hay ny mifanaja sy mitandrina fiteny?
Tianareo ny manaratsy, tianareo ny manabanty,
Saingy nony injay voakiana, hay ‘nareo tsy mahatanty?

Mihevi-tena ve ‘nareo fa hoe madio tsy misy pentina,
Ka tsy afaka hanakiana izahay vahoaka entina?
Tsia ry manam-pahefana, diso izany ka amboary.
Tsy izao no hoe mpitondra mendrika sy lavorary.

Mihaino izay lazainareo ‘zahay rehetra ety ambany,
Saingy mba hajao ihany na dia bozaka aman-tany!
Fa raha tonga koa ilay ora hitenenanay vahoaka,
Aza tonga re dia tezitra, ary aza misafoaka.

Fa ny toerana, fantaro, ny anareo anie indramina!
K’aza faly miedinedina fa hajao ny rindran-damina.
Mba henoy koa ny vahoaka, aza latsaina, aza bantiana,
Sao dia sanatria tsy ho zaka raha mitroatra izy any aoriana.

DADAN’i ZINA (22-03-20)