Me Hanitra – Tsy mahatanty kiana nefa be vava i Rinah Rakotomanga

Ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa

Ny Valosoa

Milaza ny heviny ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, tamin’ny fikasan’ny fitondrana hampiditra sinoa miisa 38 ny alakamisy teo. Ny fomba famalin’ny Tale misahana ny serasera amin’ny fiadidiana ny Repoblika hoy izy, vao mainka mampiahiahy sy tsy mampisy fitoniana.

Izany no tena hoditr’akondro be. Tsy mbola nahita olona ohatr’ity raha samy mba nitondra ihany. Izao no modely omena ny vahoaka. Izao no talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Tsy mahay manaja, ka aiza no hajain’ ny olona. Tsy manana fanetren-tena, tsy mahatanty kiana nefa be vava. Ampiharo aminao aloha ilay demokrasia. Matoa mitety Tv dia mandona anao, ka tsy zakanao ilay fanenon’ ny Lakolosin’ ny 6% mpanao facebook, fa maneno be loatra. Tsy misy mifanome lesona eto.

Tsy manaiky ho ambanianao tsy voafidimbahoaka io izahay indrindra Kristianina. Aza zimbazimbaina sy esoina ny “Andriamanitray mpivavaka ” hoy ianao. Rehefa tsy mino ianao dia tazony ho anao izany. Izahay Kristiana mino an’ i Jesoa Kristy ho Tomponay izay ivavahanay sy antsoinay amin’ny fotoana rehetra, indrindra amin’izao loza entin’ny areti- mandringana izao. Izahay efa mahafantatra fa tsy misy dikany aminareo mpitondra izany Andriamanitra izany, izany antson’ ny Filohan’ ny FJKM sy ny Fiombonamben’ny Eveka izany hitaona ny olona hivavaka, mba tsy hiditra eto ny COVID 19, hoy ihany Me Hanitra. Tsy hivavaka fotsiny anefa fa hibebaka koa.

Aza manao tsy ho tratry ny aloka ramatoa na ianareo aza no mitondra. Tsy anareo mpitondra ny ain’ny vahoaka, tsy anareo ny fanahiny sy ny hoaviny, ka aza terenareo hanaraka ny adalanao izahay. Manan-jo hiteny sy hampaneno lakolosy ny vahoaka rehefa tsy ambara azy ny marina sy rehefa ataonareo” devant le fait accompli ” izy. Ny 6% tsy maintsy miteny sy mampaneno lakolosy.

Ny solombavambahoaka tsy maintsy miteny hanitsianareo ny tsy mahasoa ny Malagasy. Efa loza mihàtra ilana fiaraha-mientana, mbola manaonao foana sy mihantsy ny olona ihany. Aza adinoina fa tsy ianao no Filohampirenena sady tsy lanim-bahoaka tamin’ny fifidianana ianao hoy ny depiote Me Hanitra, mamaly an’i Rinah Rakotomanga. Mpiasan’ny presidansa ianao ary karamaina amin’ny volambahoaka. “Imbéciles” moa hoy ianao ireo 6%? Ary ianao izany mba inona?