NY AKOHOLAHY LAVASANGA SY NY AKOHOVAVY MANENO

Ry akohovavy hafakely izay maneno lava reny,
Tia mirehaka ho mahay ka notendrena hitondra teny.
Moa ianao mpisolovava ireo lazaina fa hoe “foza” ?
Ny fanenonao anefa tena hoe “fambara loza” !

Impiry ianao izao no naneno nefa “disodiso kely” ?
Saingy tsisy fialantsiny mba nataonao velively,
Fa vao mainka ianao nidehaka ary koa nampiaka-peo,
Sa tena izay mihitsy ve ilay hoe mampiavaka anareo ?

Dia faly ery ry “lavasanga”, mahatsiaro ho velom-bolo
Fa tafita soa aman-tsara irony heviny bontolo.
Mana-namana izy manko, kinga sady tonga lafatra,
Afaka mitondra teny sy afaka mampita hafatra.

…Saingy tsy hateza akory ity fiarahana mihoaka,
Fa ny akoho tahaka ireny, mahatezitra vahoaka.
Samy miandry ny rehetra, be dia be ireo efa leo.
Izao no baiko sisa andrasany: ndeha esory tany ireo .

DADAN’i ZINA (19-03-20)