Vaovao farany – Tafiditra eto Madagasikara ny coronavirus

Isambilo

Vokatry ny fitiliana nataon’ny Institut Pasteur ary navoaka omaly, fantatra fa tonga eto Madagasikara ny valanaretina coronavirus. Vehivavy miisa 3, Malagasy, avy any Frantsa ireo tratran’ny covid-19 ireo: ny voalohany dia vehivavy 41 taona, ny faha-2 tovovavy 19 taona ary ny fahatelo dia vehivavy 45 taona. Noho izay antony izay, nanambara ny fitondram-panjakana tarihan’ny filoha Andry Rajoelina fa mandritra ny 15 andro aloha, foanana avokoa ireo fihaonana famoriana olona maro, toy izany koa ny lanonana samy hafa rehetra, aato avokoa ireo fihaonana ara-panatanjahantena, akatona avokoa ny toeram-pianarana rehetra manomboka amin’ny ambaratonga fototra ka hatreny amin’ny Anjerimanontolo. Na izany aza, mitohy ihany ny asa aman-draharaha rehetra, mbola malalaka ny fivezivezen’ny olona, fa mila mailo avokoa ny tsirairay. Mety hisy indray ny fepetra vaovao afaka 15 andro.

Etsy amin’ny hopitaly Andohatapenaka no hitsaboana maimaimpoana ireo olona mararin’ity aretina coronavirus ity. Efa mby an-koditra moa izany ny aretina, fa raha efa nakatona tanteraka mialoha ny sisintany, nanomboka ny herinandro lasa teo, tsy nitranga izao zava-misy izao, satria nosy i Madagasikara, ka azo sorohina ny fahatongavan’ity aretina ity teto amintsika.

Ankoatra izany, hatramin’ny omaly, maro ireo olona efa atoka-monina anaovana fitiliana amin’ny toerana maromaro eto amintsika toy ny: eny amin’ny hopitaly Anosiala, amin’ireo trano fandraisam-bahiny maromaro, eny amin’ny Ivon-toeran’ny orinasa Cnaps eny Vontovorona,…

Nikatona nanomboka omaly koa ireo sidina rehetra miditra eto amintsika, na misy aza ny sidina manokana nataon’ny Air France omaly sy rahampitso, izay nahazo alalana manokana tamin’ny fitondrana. Nampody ny terataniny niasa teto amintsika ny Amerikana, ny Frantsay. Nikatona ny sekoly American School, ireo collège sy Lycée Français.

Ny fanontaniana mipetraka amin’ny maro ankehitriny, haharaka ve ny dokotera, ho ampy ve ny fanafody, ireo izay tsy ho tratra, ho ampy ve ny fitaovam-piarovana: maska, fitaovam-pidiovana samihafa?…

Ankoatra izany, raha ny zava-misy eran-tany hatramin’ny omaly nanoratana ny lahatsoratra, firenena miisa 179 no voakasik’ity valanaretina ity, niampy an’I Madagasikara izany dia lasa miisa 180 izany no misy ny coronavirus maneran-tany. Olona miisa 10 316 no namoy ny ainy eran’izao tontolo izao, ka any Italia indray no lasa firenena voalohany misy matin’ity valanaretina ity be indrindra, 3405 no maty tany Italia, fa tsy any Chine niandohan’ny valanaretina intsony. Na izany na tsy izany, misy ireo sitrana ireo olona nitondra ny tsimokaretina covid-19, efa mahatratra 71 150 izany.