Coronavirus – Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Fiombonamben’ny Eveka

Ireo Eveka avy amin’ny fiangonana katolika eto Madagasikara

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus amin’izao fotoana izao any ivelan’i Madagasikara, nivoaka tamin’ny fahanginany ny Biraon’ny Fiombonamben’ny Eveka eto Madagasikara, nisy ny fanambarana sy hafatra nataon’izy ireo:

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo.

Ry havana,

Efa manodidina an’i Madagasikara ny areti-mifindra Coronavirus (Covid 19) ankehitriny.

Miantso antsika rehetra hiombom-bavaka amin’ny Papa François ho an’ireo firenena tratran’izany. I Jesoa Kristy Tompo nibaby ny rofintsika rehetra ka nandresy ny ratsy tamin’izy nitsangan-ko velona, anie hanome hery ireo marary sy ireo mpitsabo, ary ny fianakaviany. Ary ankinintsika amin’ilay Ray be famindrampo ny fanahin’ireo havantsika namoy ny ainy.

Manasa antsika ho tony ary hanaraka ireo toromarika marina rehetra momba ny fihetsika, omen’ireo tompon’andraikitra sy manam-pahefana amin’ny alalan’ny haino aman-jery, eny fa na dia ny tsotra indrindra tokony harahina andavanandro aza hiarovana ny fihanak’ity aretina ity.

Manasa antsika hifampilaza ny tokony hatao na any amin’ny toeram-pitsaboana na any am-piangonana na any am-pianarana na eny an-dàlana …

Mankahery ireo dokotera sy ny mpiasan’ny fahasalamana hanana ny herim-pon’ny aleoko maty, mba handresena ny aretina fa tsy hanary na handositra ny marary.

Miantso antsika ho sahy hifanampy, hifampiaro, fa indrindra hiaro ireo efa manana aretina mitaiza na ireo mahantra tsy manana fiarovana.

Miantso ny Eveka, ny pretra, ny relijiozy sy ny mpikatroka rehetra amin’ny sehatra pastoraly katôlika tsy hatahotra, fa hanaiky hanatona sy hikarakara amim-pitandremana ireo marary ary hiara-miasa amin’ireo hôpitaly rehetra hiara-hanohitra ny aretina.

Manasa antsika rehetra izahay Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka mba hiombona, ka hanao vavaka hasivianandro manomboka ny 19 martsa Fankalazana manetriketrika an’i Masindahy Josefa mpiaro ny Fianakaviana Masina sy izao tontolo izao, ka hifarana amin’ny faha-27 martsa. Tafiditra ao anatin’izany hasivianandro izany indrindra ny 24 ora ho an’ny Tompo hiombonam-bavaka amin’ny Eglizy manerantany (ny 20-21 martsa) sy ny Fankalazana manetriketrika ny Filazàn’ny Anjely ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. (25 martsa).

Inona àry no hataontsika amin’izany?

Hiaraka hanao ny Raozery masina isika, ilay vavaka nahomby tamin’ny fiarovana ny Eglizy rehefa nisy fahavalo nitady hanapotika an’i Rôma, ka nahatonga ny Papa Pio faha 5 nametraka ny datin’ny 07 oktôbra ho fanajana ny Mpanjakavavin’ny Raozery Masina.

Vavaka tena tsotra izany ary azon’ny rehetra atao amin’ny toerana rehetra. Koa amporisihina manokana ny isam-pianakaviana, ny mpamonjy lamesa isan’andro, hanao sapile miaraka, ka faranana amin’ity vavaka ity :
– Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka, Mpiaro an’i Madagasikara, mivavaha ho anay izay mangata-bonjy aminao,
– Masina Maria fahasitranan’ny Marary, sitrano ny marary rehetra,
– Md Josefa, Ray mpitaiza an’i Jesoa, mpiaro an’izao tontolo izao, mivavaha ho anay,
– Md Jacques Berthieu, mivavaha ho anay,
– Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, mivavaha ho anay,
– Raphael Louis Rafiringa Olontsambatra, mivavaha ho anay ,
– Jean Beyzim Olontsambatra, mivavaha ho anay,
– Lucien Botovasoa Olontsambatra, mivavaha ho anay,

Ny Biraon’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara :
Ny Kardinaly Désiré TSARAHAZANA, Filohan’ny FEM.
Mgr Fabien RAHARILAMBONIAINA, Filoha lefitra, sady Filohan’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Pastôralin’ny fahasalamana.
Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Sekretera jeneraly.