Raharaham-pirenena – Akohovavy maneno sakaiza tsy foin’Ingahy Filoha

Ny Valosoa

Efa tamin’ny taona 2009 nanombohan’ny fanonganampanjakana no efa nipentsompentsona ilay “akoho vavy maneno” sakaiza tsy foin’Ingahy Filoha, ary hatramin’izao dia mbola mibarareoka hatrany amin’ny hevi-diso.

Raha filoha lalim-pandinika no nitondra teto, efa ela no nesoriny ohatra ny tsy teo ity ramatoa mitsaontsaombava ity, satria izay hevitra avoakany dia vitsy no mba azo raisina, fa ny ankamaroany dia hevi-dravina avokoa.

Raha raisina ohatra izao ny mikasika ny Holafitrin’ny Mpanao Gazety izay efa tokony hifidy birao vaovao, dia mibaribary fa misy ny tetika ambadika kotrehin-dRamatoa Minisitra, ahazoany mametraka ny olon’ny fitondrana ahafahan’ny mpitondra manarampo amin’ny tsy mety ataony, tafiditra ao anatin’izany, ny famindran-toerana ny Sekretera Jeneralin’ny Holafitra hiasa any Antsalova faritr’i Melaky, kanefa izy no tokony hisahana ny fanomezana karatra maha-matihanina ny mpanao gazety, ankoatr’izay dia misy ihany koa ny teti-dratsy hanova ny lalàna, ka tadiavina hasiana filoha lefitra isaky ny faritra 22, kanefa na ny isan’ny mpanao gazety aza tsy mitovy eo amin’ny isam-paritra, satria misy ireo faritra tsy manana afa tsy mpanao gazety vitsivitsy, kanefa raha ny eto amin’ny faritra Analamanga dia 400 mahery ny mpanao gazety.

Fa ny tena tsy azon’ny saina eritreretina mihitsy dia ny fisian’ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena toa an-dRamatoa Minisitra mahasahy mirediredy hoe tsy mafy noho ny pesta sy ny cholera hono ny coronavirus, asa raha inona no misaina, ka tsy maharaka ny zavamisy erantany, andro vitsy taorian’ny nanizingizinan’ity “akoho vavy maneno” dia nanaraka ny tenin’ny Filoha Ravalomanana ny filoha ankehitriny, ka nandray fepetra nanidy seranana.

Matoa anie tsy esorin-dRajoelina amin’ny toerany ity minisitra manaratsy endrika ny fitondrany ity, dia mazava fa olona toa an’io mihitsy no mety aminy, lasitra iray ihany izy ireo, satria Ingahy filoha koa dia efa fantatra ny fomba nahatongavany teo amin’ny fitondrana, fa herisetra ny tamin’ny 2009 ary hosoka tamin’ny fifidianana farany teo, ka minisitra lany henatra toa an’ity “akohovavy maneno ity” no sahy miaro an-jambany ny ” Olomboafady”.