RY GOVERINORA RY GOVERINORA

Ry goverinora, ry goverinora,
‘Zay mahabe resaka anay isan’ora.
‘Nareo dia fantaro fa tsy olom-boafidy,
Ka aza be baiko sy mandidididy.

‘Nareo dia mazava fa olom-boatendry.
Noheverina angamba fa hoe olon-kendry,
Ka aoka ho fitaratra sy ho modely
Tsy hanala baraka an’ilay boaikely.

Ry goverinora, ry goverinora.
Tandremo tsy ho toy ny lahinjiro jabora.
Mirehitra ihany fa tsy manazava,
No sady mazàna manetroka lava.

Mijery ny fihetsikareo ny isam-paritra,
Ho amin’ny fampandrosoana maharitra.
Koa aza miesona na midonàka
Sao ‘ty ‘lay nanendry no ho afa-baraka.

Miliara ny vola lalaovinareo,
Nefa tena mandeha dia mandeha izao ny feo
Fa hatreto , tsy misy ny zava-mivaingana.
Mandeha ihany sa maika tsy faingana?

Ny mahasoa vao ny mahafinaritra,
Izany no andrasan’ny isam-paritra.
Mihetsiketseha re ry goverinora
Sao lahy atsy ho atsy ianareo ho voakora!

DADAN’i ZINA (12-03-20)