EDITO 19 Martsa – Coronavirus sy ny fitondrana – Tsy maharesy lahatra ny maro ny zava-misy

Sôh’son

Mahavaka ny sain’ny maro hatreto ny fihetsiky ny fitondrana, na ny tomponandraiki-panjakana amin’ny fepetra raisina eto amin’ny firenena amin’ny fiatrehana ny valan’aretina coronarivus, izay entin’ny covid-19.

Mihaino ny fanazavana sy ny fampitoniana ny olona anefa toa mbola eo ihany ny sainy mandeha sy ny resaka etsy sy eroa, izay maneho fa tsy matoky tanteraka. Tsy azo atao ambany maso tsy hita izany fiakon’ny fandraisana fepetra samihafa ataon’ny fitondrana saika isan’andro tsy tapaka avy amin’ny fivoriana ataony.Tsy maintsy misy ezaka mafy ataon’ny fitondrana ihany hanesorana ny ahiahin’ny olona sasany. Anisan’ny antony mbola mety nampiraikitra io ahiahy io ny fahitana sy ny fahenoina fa mbola misy olona miditra avy any ivelany, ary tsy ampy ny maro ny fahenoina fa misy ny fepetra efa raisina amin’izy ireny.

Ho an’ny maro, raha ny fahitana azy, dia efa ela no tokony handray fepetra hentitra sy henjana, toy ny fanidiana tanteraka ny sisin-tany na ny seranana rehetra, raha tena tiana tokoa ny hahatratrarana ny teny filamatra hoe : Madagasikara lavitry ny coronavirus. Tsy teny apetrapetraka fotsiny izany fa mila miaraka amin’ny fepetra hentitra sy henjana ary mazava. Mbola misy mantsy ny mametra-panontaniana hatrany ny amin’ny hoe : « f’angaha mbola misy olona ampidirina ihany? »,rehefa ren’izy ireo amin’ny fampitam-baovao samihafa ny amin’izany. Ary eo amin’ny toy izany indrindra no mila hitan’ny maro mazava ny fepetra raisina, mba hampiala ny ahiahy samihafa. Iaraha-mahita sy mandre amin’ny fampahalalam-baovao tsara ny fihazakazaky ny olona sasany mividy tampim-bava na fanasana tanana eny amin’ny fivarotam-panafody na farmasia. Nahoana no misy izany toe-javatra izany?

Mila mitondra fanazavana maharesy lahatra hatrany ny tomponandraiki-panjakana, fa tsy ampy ny fitenenana hoe « aoka ho tony » fotsiny izany. Ny Malagasy mila zavatra hitan’ny masony sy mivaingana, ka tsy tokony hanao an-kinanga amin’ity toe-javatra mamoa-doza indray mandeha ity. Fiteny ny hoe « Aleo tara, toy izay tsy misy ». Ny fahitana azy dia misy fahatarana ihany ny fihetsiky ny fitondrana ary hita ho tsy nanao ezaka raha tsy efa nisy feo avy amin’ny sokajin’olona samihafa nanakiana. Raha lazaina ho mbola tsy tafiditra eto amintsika ity valan’aretina ity dia noho fitahian’Andriamanitra ny voalohany indrindra, manomboka izao izany noho ny fivoaran’ny fihanak’ity valan’aretina ity, tsy mety eken’ny saina intsony ny fepetra raisina tara na tsy misy mihitsy.