Ady amin’ny fanotofana tanimbary – Tsy mihemotra hatramin’ny farany Ambohitrimanjaka

Isambilo

Eo amin’ny resaka ady amin’ny fanotofana tanimbary kasain’ny fitondrana hatao, tsy mihemotra fa manohitra izany hatramin’ny farany ny mponina eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina. Nisy ny hetsiky ny vahoaka tsy manaiky ny fanotofana tanimbary noho ny tetikasa Tana-Masoandro ny sabotsy teo teny an-toerana. Mitohy hatrany ny tolona izay ataon’ireo mponina mivelona amin’ny lemak’i Betsimitatatra ao amin’ny Kaominina Ambohidrapeto, Ambohitrimanjaka, Ankadimanga sy Fiombonana ary ny Fokontany Anosibe Zaivola, teo amin’ny fefiloha atsimon’Ikopa akaikin’ny Barrage Anosivita.

Hatramin’izay, raha ny vehivavy no nazoto tamin’ny hetsika, tamin’io fotoana io kosa indray, maro kokoa noho ny isan’ny vehivavy ny isan’ny lehilahy tonga teny an-toerana. Nitombo ihany koa ny isan’ny faritra miara-mitolona. Tonga nanatevina ny hetsika ry zareo avy amin’ny Kaominina Iarinarivo. Nohamafisina ny lanjan’ny tolona izay atao ankehitriny: fiaroavana ny Tanindrazana tsy ho tototra, sy tsy ho lasan’ny vahiny, fa tohin’ny tolona izay nataon’ireo mahery fo fahiny dia ny Menalamba, ny VVS, ny MDRM,… nijoro sy niady ary nikatsaka ny famerenana ny fahaleovantenampirenena. I Madagasikara ho an’ny Malagasy! Ny Malagasy ho an’i Madagasikara! Masina ny Tanindrazana! hoy ny hiaka nanakoako teny an-toerana ihany koa tamin’io fotoana io.

Raha ny fahazoan’ny hetsika aina eny an-toerana, dia toa tsy ho sahy hiroso amin’ny tetikasa Tana-Masoandro eny an-toerana ny fitondram-panjakana, na ilay ministera vaovao vao najoro hisahana izany aza dia tsy ahenoana feo hatramin’izao.