Coronavirus – Ireo fepetra fanampiny noraisin’ny fitondrana

Isambilo

Rehefa tratry ny tery avy amin’ny mpanohitra, sy ny mpisera tamin’ny alalan’ny fitaovana fampitam-baovao samihafa toy ny facebook dia nanakatona sidina ihany ny fitondrana eto amintsika.

Misy ny milaza fa efa tratra aoriana ihany izany, na mbola tsy misy olona mitondra
ny otrikaretina covid-19 aza eto amintsika.

Manoloana izay fihanaky ny tsimon’aretina coronavirus covid-19 izay any ivelan’i Madagasikara dia:
– Miato mandritra ny 30 andro ireo sidina rehetra mampitohy an’i Madagasikara sy Eoropa: Frantsa, Italia, Allemagne, sns…;
– Miato ireo sidina mampitohy an’i La Réunion sy Mayottes;
– Mikatona avokoa ireo seranan-tsambo ho an’ireo sambo lehibe mpitondra mpizahatany na bateaux de croisière;
– Omena hatramin’ny alakamisy izao ireo vahiny sy ireo olona izay avy any ivelany mamita iraka eto Madagasikara hody sy hiverina an-tanindrazany na any ivelany;
– Ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato irery ihany sisa no afaka mandray sidina avy any ivelany, mba hanamorana ny fanaraha-maso;
– Arahi-maso akaiky ny fifehezana ny vidim-piainana, mba hisorohana izay mety ho fanararaotana, misy fepetra hentitra ho raisina amin’ireo izay minia manao izany. Afaka miantso ny laharana maitso 910 ireo izay mety mahita na mandre tranga mampiahiahy.