EDITO 17 Martsa – Karapanondro mitovy sy lisi-pifidianana – Tsy tokony hangina manolona ny hosoka ny olom-pirenena

Rina Rabemananjara

Marobe isika mpanaraka ny vaovaon’ny fiainam-pirenena no velom-bolo tamin’ny fandaharana vaovao nampitondraina ny lohateny hoe: “Miara-mampita”, izay fiaraha-miasan’ny onjam-peo: Mbs Radio, AZ Radio, Radio Mada, IBC Radio. Nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 9 ora alina izany ny alahady teo. Karazan’olona maro no niantsehatra tao anatin’ny fandaharana: nahitana mpanao politika, mpitarika fikambanana, olon-tsotra, tantsaha.

Samy niiteny daholo ireo rehatra nivahiny tao anatin’ny fandaharana, fa ilaina ny fanadihadiana momba ny fisian’ny fandikan-dalàna tamin’ny karam-panondro sy ny fahadisoana azo noraofina tamin’ny sobika momba ny lisi-pifidianana. Tsy tokony hangina manoloana izany ny olom-pirenena tsirairay hoy ny fanazavana satria lasa manjaka ny halatra, ka olona tsy araka ny tena safidim-bahoaka no lany. Sokafana ny fanadihadiana mijoro amin’ny fahamarinana, hahafantarana ny tena fahamarinana.

Nisy ny filazan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana, na ny Pnud, fa ara-dalàna hono iny fifidianana iny saingy tsy midika izany hoy ny mpivahiny tao amin’ny Miara-mampita, fa tsy nisy ny fanodinkodinana tamin’ny fifidianana.

Ankoatra izay dia nilaza mazava ny Solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, fa tokony hiala avokoa ny mpikambana rehetra ao amin’ny CENI.

Momba ny aretina Coronavirus kosa dia samy nilaza ny rehetra fa mitavozavoza ny fanjakana, maivana ny fandraisana andraikitra sady tara.

Tsy nohadinoina ny fijalian’ny any ambanivohitra noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana araka ny nambaran’ny solontena avy any Andramasina.

Fitaka no manjaka eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao araka ny fanazavana ihany ka mila mandinika ny vahoaka tsy ankanavaka.

Fantatra fa mbola hitohy ny fandaharana Miara-mampita ka heverina ho amin’ny Alahady tolakandro ho avy izao ny andiany manaraka. Aleo hivoaka ny marina hahafahan’ny Malagasy manatsara ny fiainany, sa ahoana hoy ianao?