Me Olala – Tsy mankasitraka ny fihetsiky ny filohan’ny CENI

Noteren’Andriamatoa Hery Rakotomanana Filohan’ny Ceni, hametra-pialana Andriamatoa Rakotonarivo Thierry, Filoha lefitry ny Ceni teo aloha, izay namoaka ny fahamarinana mikasika ny fisian’ny kara-panondro mitovy laharana, nandritra ny fifidianana natao teto Madagasikara. Nilaza Me Razafinjatovo Willy dit “Olala” mpisolovava, fa tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny filohan’ny Ceni nanao zavatra toy izany. Nametram-panontaniana i Maitre “Olàla” fa mety tsy fahaizan’ny filohan’ny Ceni ve? sa tsindry avy amin’ny manam-pahefana ambony na fanahy iniana tsotra izao ,mba hahafahana manaisotra ny tompon’andraikitra miteny ny marina.

Nanohy nanazava ity mpisolovava ity fa tsy mankasitraka ny fitondrantenan’ Andriamatoa Rakotomanana Hery Filohan’ny Ceni, manoloana ny raharaha Thierry Rakotonarivo nyolom-pirenena. Nanohy nanazava izy fa ny olona milaza ny marina indray no ampangaina ho nanao fahadisoana goavana, ka nitadiavana ny fomba rehetra izay nanesorana azy tsy ho mpikambana ao amin’ny Ceni. Ankoatra izany nilaza i Me Olala, fa maika fotsiny hanantanteraka baiko handroahana an’ i Thierry Rakotonarivo ny filohan’ny Ceni, hany ka tsy nanara-dalàna teo amin’ny fametrahana ny fitoriana teny anivon’ny Hcc.

Mpisolovava ny asan’ny filohan’ny Ceni, izany hoe olona mahafehy sy mahafantatra ny lalàna kanefa afa-baraka ity farany satria nolavin’ny Hcc ny fitoriana izay nataony ary naverin’ny Hcc teny amin’ny Ceni indray. Nanohy ny fanehoan-keviny i Maitre Olala, fa nanohana ny Filoha lefitry ny Ceni ireo mpikambana ao amin’ny Ceni rehetra rehefa natao ny fanambarana ny fisian’ny laharana kara-panondro mitovy. Nivadika indray ny rasa hoy izy fa tsy mankasitraka ny fanambarana indray ny filohan’ny Ceni afaka 2 andro aty aoriana. Midera sy mankahery an’ i Thierry Rakotonarivo i Maitre “Olàla” arymandrisika an’ireo olom-panjakana rehetra hamoaka ny marina manoloana ny raharaham-pirenena.

Franck Razakambelo