17 martsa 2009 – Mitera-doza ho an’ny vahoaka Malagasy hatramin’izao

17 martsa 2009 Rajoelina - Fanonganm-panjakana

Ny Valosoa

Mbola tsy adino ny zavadoza nitranga ny 17 Martsa 2009, dia ny fanonganampanjakana nataon’i Andry Rajoelina sy ny forongony. Ireo mpamotika firenena dia manambara, fa tsy fanonganampanjakana hono no nisy satria ny Filoha Ravalomanana dia nametra-pialana.

Aleo tsiahivina ny zava-nitranga tamin’izany anaporofoana fa fanonganampanjakana no nisy teto , nisy ny fanendrena an’i Monja Roindefo ho praimInistra an-dalambe ny 07 Febroary 2009,ny androtr’io dia nentina natao sorona teny Antaninarenina ireo vahoaka tsy manan-tsiny, ny tanjona dia ny hahazoana miampanga ny Filoha Ravalomanana ho mpamono olona, kanefa ireo olona maty dia voatifitra avy any aoriana avokoa, izay midika hoe tsy avy ao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra no niainga ny fitifirana, misy porofo izany.

Andro vitsivitsy talohan’ny 17 Martsa 2009 dia nisy ireo fiara mifono vy niditra an-keriny tao Ambohitsorohitra ary Ingahy Monja Roindefo koa dia efa tafiditra teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ka ny dingana farany nokendren’ireo mpandroba fanjakana dia ny hisambo-belona ny Filoha Marc Ravalomanana teny Iavoloha, marihina fa vahoaka an’aliny no tonga isan’andro teny Iavoloha niaro ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny fitondrany.

Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ ny Filoha Ravalomanana nanolotra ny fahefana feno ho an’ny Komitim-pitondrana miaramila ny 17 Martsa 2009, izay nahitana ireo manamboninahitra jeneraly ambony laharana indrindra, satria efa andalana ireo miaramila vonona hiakatra ny lapa.

Tsy tian’ny Filoha Ravalomanana ny ahafaty ireo vahoaka marobe vonona hanao sorona ny ainy, ka dia naleony nisafidy ny nanolotra ny fahefana ho an’ny Komitim-pitondrana miaramila, saingy indrisy f’ireto be kintana indray dia tsy nahatana ilay fahefana nomena azy, satria nisy ny fandrahonana, ka dia nanaiky ny taratasy peta-toko nataon-dRatsirahonana dia namindra ny fahefana tany amin’i Andry Rajoelina, izay nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana (HCC) tamin’izany io fitondrana tsy ara-dalàna io. Ny filoha Marc Ravalomanana tamin’io andron’ny 17 martsa 2009 io, no niala teto amin’ny firenena, ka nialokaloka politika tany Swaziland aloha, izay vao nankao Afrika Atsimo, ary tsy tafaverina teto an-tanindrazana raha tsy ny 13 oktobra 2014.

Ny vahoaka Malagasy rehetra dia samy mahatsiaro io zava-doza nitranga io, maro ny nalahelo, tsy vitsy no tezitra, nisy mihitsy aza ireo latsa-dranomaso sy nahazo aretina satria nahatsapa ny soa azo tamin’ny fitondran’ny Filoha Ravalomanana.

Nitondra tokoa Rajoelina dia potika tanteraka ny firenena, nahazo vahana ny asan-jiolahy, ny halatra sy hosoka tamin’ny endriny samihafa, ireo mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany, lasa fitaovana manampy ny mpandroba sy ny dahalo; na ny zanaka beazina tao an-tokantrano aza nisy tsy mankatoa ray amandreny intsony ny sasany satria ny mpitondra mihitsy no ohatra velona tamin’ny tsy fanajàna.

Lainga sy fitaka ary herisetra sy fandrobana no nataon-dRajoelina sy ny forongony, natombony tamin’ny fakana ny fitondrana tsy ara-dalàna ary nitohy tamin’ny fananganana ny Repoblika fahaefatra tamin’ny alalan’ny fitsapankevibahoaka feno hosoka, dia mbola tohizana hatramin’izao io fomba mamohehitra io ,matoa mbola voafidy ireo mpandroba fahefana tamin’ny fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena. Tsy fanonganam-panjakana indray no misy amin’izao fotoana, fa halatra fahefana tamin’ny karapanondro mitovy sy ny lisi-pifidianana tsy ara-dalàna.

11 taona aty aoriana mbola mihitsoka ny firenena, satria vao mainka nahazo fahefana tamin’ny fifidianana ny fahavalompirenena, kanefa na izany aza , ireo vahoaka tena tia ny fireneny dia tsy manary toky, fa vonona hatrany hijoro hiady ho an’ny fahamarinana sy mitondra ambavaka ny ho avin’ny firenena, tsy maintsy hisy ny farany satria” raha nitohy ny hazo tonga tany an-danitra hatramin’ny voalavo” ary ny Filoha Ravalomanana taorian’ny nahavoafidy an-dRajoelina dia nankahery ny vahoaka Malagasy tamin’ny alalan’ny andininy iray ao amin’ny soratra masina manao hoe:” raha mbola hisy koa ny farany, tsy ho foana akory ny fikelezanao aina”.