Naina Andriantsitohaina – Mpivadibadidela hoy ireo mpivarotra amoron-dalana eny Anosy

Helisoa

Miteraka fimenomenomana teo amin’ny mpivarotra amorondalana, eny Anosy akaikin’ny radio sy Televiziona Malagasy, ny zavatra ataon’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ankehitriny sy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina.

Vao tonga teo amin’ny toerany ity farany dia nesorina ny mpivarotra amoron-dalana teo amin’io toerana io. Tato aoriana anefa tsy nanaiky mora ireto mpivarotra satria mamelom-bady aman-janaka, manofa trano, mampiana-janaka, nefa ny fitadiavany mihintsy no voahelingelina.

Manoloana izany, nilefitra ny mpitantana ny tanàna, ka navela hivarotra teo indray izy ireo fa nampandoavina hetra ary tsy navela hanakana ny arabe fandehanan’ny mpandeha an-tongotra. Gaga anefa ireo mpivarotra fa na efa nanaraka ny fitsipika mifehy napetraky ny CUA izy ireo dia nesorina tampoka indray. Mpivadibadidela ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany, hoy ireto mpivarotra ireto.