Andry Rajoelina – Hanao resaka misavoan-danitra indray amin’ny alahady alina

Stefa

Araka ny fantatra dia hiatrika fandaharana manokana indray rahampiitso alahady alina ny Filoha Andry Rajoelina, amin’ny haino aman-jerim-pirenena, sy amin’ireo haino aman-jery izay mpanohana azy hatramin’ny fanonganam-panjakana notarihany tamin’ny taona 2009. Raha ny fijerin’ny mpandinika politika azy dia hanao resaka misavoan-danitra toy ny fanaony indray mandritra izany ingahy filoha.

Hiresaka momba ny raharaham-pirenena izy mandritra io fandaharana manokana io, izay handeha amin’ny haino aman-jery, ny alahady 15 martsa 2020 izao, amin’ny 08 ora alina, mandritra izany no heverina fa hilazan’ny filoha Rajoelina ny heviny sy hanaovany fanambarana, mikasika ireo raharaha mahabe resaka eto amin’ny firenena sy ny amin’ilay valanaretina coronavirus izay mihanaka amin’ireo kaontinanta rehetra amin’izao fotoana izao, isika eto Madagasikara anefa toa mbola tsy taitra fa mbola mibanaka ihany ny sisintany.

Heverina fa ho voaresaka mandritra izany ny momba ireo karapanondrom-pirenena mitovy tamin’ny fifidianana, izay fangalaram-bato tsotra izao, na inona lazaina na inona. Ny mahakasika ny resaka olan’ny tany, indrindra ny etsy Ambohitrimanjaka, izay nambarany fa hihaona amin’ny vahoaka eny an-toerany izy, nefa hatramin’izao mbola tsy nipoitra teny. Ny olana momba ny fandaniana lalàna eny amin’ny parlemanta amin’izao fotoana satria notsipahan’ireo senateran’i Madagasikara ny sasany tamin’ireo didy hitsivolana 9 efa noraisiny, tamin’ny mbola tsy nijoroan’ny Antenimierampirenena, ny olan’ny jiro sy ny rano izay mbola misy ihany hatramin’izao, ireo fampanantenana atao be dia be nefa tsy misy tanteraka hatramin’izao, sy ny raharaha hafa mbola mafampana eto amin’ny firenena,…