EDITO 12 Martsa – Mila mamantatra ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka ny fitondrana

Sôh’son

Hoan’ny olom-pirenena maro, tsy milamina ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Eo ny krizy politika miseho eo amin’ireo andrim-panjakana, na ny zava-mitranga eo anivon’ny Ceni sy ny HCC, ary indrindra ny fiarovan-tena eo lafiny ara-pahasalamana.

Ity sehatra farany ity, miteraka resabe amin’izao fotoana eny anivom-piarahamonina andavanandro ifaneraseran’ny sarambabem-bahoaka eny. Niha-nitombo io resaka io, indrindra rehefa re fa misy sambo tonga ao Toamasina mitondra teratany sinoa marobe. Ny antony araka ny fanazavana re tamin’ny fampahalalam-baovao dia ho amin’ny famitàna ny kianjaben’i Mahamasina. Io indray fa hanome olana vaovao ho an’ny vahoaka sy ny firenena ny fitondrana Rajoelina. Isan-taona tsy maintsy misy olana vaovao hatrany apoitran’ny fitondrana.

Ity resaka farany ity no mampivarahontsana ny sarambabem-bahoaka ary manaitra mafy ny sain’ny mpanara-baovao sy ny mpamakafaka ny fiainam-pirenena. Nahoana, hoy izy ireo, no mbola sahy manokatra seranana ho an’ireo olona avy any amin’ny firenena nipoiran’ny valan’areti-mandoza mandripaka olona manerana firenena maro maneran-tany ity ny fitondrana ity? Ary mahavariana fa lazaina fa mihantona fa tsy nakatona ny sidina avy any Italia mankao Nosy be, izy ireo rahateo efa mihidy aman-trano izao, fa ity avy Shina ity, ohatra, dia toa ny fitondrana mihitsy no miantso sy mampiditra sinoa. Tsy fankahalana teratany Sinoa akory, fa izy ity efa tsy ijerena izay fifandraisana aminy, fa ny aim-bahoaka tsy maintsy arovana n’inona n’inona tombontsoa avy aminy.

I Madagasikara dia firenena mahantra sy marefo amin’ny lafiny maro. Tsy hahavita velively ny ataon’ny firenen-kafa efa mandroso sy matanjaka toa an’i Italia na Frantsa sy ny hafa isika. Tsy ho vitan’ny sarambabem-bahoaka velively ny hanangona sakafo maharitra anatin’ny andro maromaro, ka hikaton-trano avy eo. Ny hovidiana isan’andro aza sahirana mafy vao afaka. Mazava loatra fa tsy maintsy hivoaka isan’andro ny olom-pirenena hividy sakafo, tsy maintsy hitady vola kely hivelomana, izany hoe tsy mety amin’ny fiainany ny tsy mivoaka ny tranony noho ny fahantrany.

Ity resaka fisorohana ny fihanaky ny valan’aretina coronavirus ity tsy azo atao an-tandrevaka sy kinanga velively, fa ho zava-doza eto. Tsy azo ifampitahana amin’ny firenen-kafa ny fepetra raisina, fa samy manana ny mampiavaka azy. Raha mandeha be toy izany ny resaka ankehitriny eny anivom-piarahamonina, araka izany mbola tsy ampy ny serasera ataon’ny fitondrana amin’ny fepetra raisina na misy aza, fa ny reny sy hitan’ny vahoaka maso no mibaiko ny fomba fiheverany sy izay saininy eo. Tsy izay famitana ny Kianjaben’i Mahamasina any no mahadodona azy sy manakorontana ny sainy, fa izay zavatra mety hanàla ny ain-dehibeny sy hanapotika ny ankohonany na ny fianakaviany, izay ny Malagasy.