NY TAKARIVAN’IARIVO

Takariva mahafinaritra, lavitra mpanelingelina,
Izay no andrasana eto Iarivo ry ekipan-dRajoelina.
Anjakan’ny filaminana ka tsy avela hahazo vahana
Na karazam-panolanana na ny asa fanendahana.

Takariva mahafinaritra, lavitry ny makorelina
Izay no andrasana eto Iarivo ry ekipan-dRajoelina.
‘Ndeha diovy ny tanàna ho madio sy metimety,
Izay ‘nareo vao mieritreritra ny hifaly sy hifety.

Takariva mahafinaritra, tsisy zava-mahadomelina
Izay no andrasana eto Iarivo ry ekipan-dRajoelina.
Lavitry ny alikaola, lavitry ny fimamoana,
Fa Iarivo soa sy mendrika, izay no tanjona imasoana.

Takariva mahafinaritra, hanaterana sakafo
Ho an’ireo izay mafy ady sy matory tsy amin’afo.
Izay no tena maika indrindra, ho takarivam-piadanana
Mba hanaovan-tolotanana ho an’ny ory sy tsy manana.

Fa raha izay mbola takariva isehoana sy idedahana,
Hampirongatra ny toaka sy ny asa fanendahana,
Dia aleo tsy misy akory sy atsahatra avy hatrany
Fa ny mponina eto Iarivo, tena tsy hanaiky izany.

Tena lavinay tanteraka ny hevitrao mpitondra ambony,
Hanetsika ireo mpanafàna efa zatra mandrongony.
Tena hivondrona izahay no sahy hijoro sy hanohitra
Fa tsy izany no hitaizana ny olona eto an-drenivohitra!

DADAN’i ZINA (09-03-20)