Thierry Rakotonarivo – Toy ny mamo miantso polisy ny mpitory azy

Ny Valosoa

Tsy mety mifarana ny adihevitra momba ilay lisi-pifidianana sadasada navoakan’ny Ceni, fa dia miteraka disadisa eo amin’ny samy rangory fototry ny afo . Rehefa avy nanadio tena sy nilaza fa tsy hiala ry Ceni mianakavy dia niova indray ny fisehoan-javatra, satria nafatratra manontolo any amin’ny Filoha lefitra, Thierry Rakotonarivo ny hadisoana rehetra , ka vitan’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Ceni ny nitory an’ity filoha lefitra ity any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), ka ny fototry ny fitoriana dia manao hoe nanao “faute grave et violation de serment”.

Fa inona no atao hoe « faute grave » ?

Ny « faute » aloha dia fahadisona no dikany ary ny « grave » dia midika hoe tafahoatra , dia samy mifanontany ny olompirenena manao hoe ny fahasahiana mamoaka ny marina ve no antsoina hoe « faute grave », na fahadisoana tafahoatra ?

Ary inona no atao hoe « violation de serment » ?

Ny « serment » dia fianianana no dikany ary ny « violation » dia midika hoe fanosihosena, ka ny fiheverana ny vahoaka tsy ho tompontrano mihono ve no antsoina hoe « violation de serment », na fanosihosena ny fianianana ?

Iray ihany ny fahamarinana isaky ny tranga misy , raha fifidianana no resahina dia izay latsa-bato notanterahina tamin’ny lisi-pifidianana marina ihany no azo antsoina hoe fifidianana madio, fa ny ankoatr’izay dia hosoka , ny fihodinana efatra nolazain-dRajoelina tany Toliara, fa nahazoany fandresena avokoa dia fifidianana hosoka, satria ilay lisi-pifidianana feno hosoka anenjehina ny filoha lefitra Thierry Rakotonarivo, no nanaovana ireo ary matoa Ingahy filoha mitabataba hoe tsy hisy intsony ny fihodinana fahadimy dia matahotra ilay lisi-pifidianana vita fanadiovana ny tenany.

Ny fianianana indray dia fanekena natao ijoroana sy iarovana ary itandroana ny lalàna velona, ny vahoaka no atao an-tsaina rehefa mianiana, f’ireo mitory an’Ingahy Filoha lefitra dia azo eritreretina fa ny filohampirenena no nanaovany fianianana, satria dia miaro anjambany tsotr’izao ny hadisoana efa hita mibaribary.

Tsy mahagaga izany satria Ingahy Hery Rakotomanana filohan’ny Ceni ankehitriny anie, dia efa filohan’ny Ceni tamin’ny 2010, izy no nikarakara ilay fitsapankevibahoaka kitoatoa nampiasana ny kara-pokontany, nandaniana ny lalampanorenan’ny repoblika fahaefatra, tamin’izany no nanombohan’ny lisipifidianana sadasada.

Efa any Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana(Hcc) ny fitoriana an’i Thierry Rakotoniarivo, dia ho hita eo izay tohiny, raha ny fomba fiasan’io andrimpanjakana io aloha dia tsy misy ny azo antenaina ary azo inoana fa hanome rariny ireo mpikambana Ceni nanao ny fitoriana ny (Hcc), satria iza no tsy mahatadidy ilay fomba fitenin’Ingahy filohan’ny (Hcc) manao hoe « azo raisina fa tsy mitombina » ary io andrimpanjakana io mihitsy no ninia nikimpy tsy te hahalala ny lesoka tao amin’ny lisi-pifidianana.

Raha mandeha amin’ny rariny sy ny hitsiny ny fanadihadiana sy ny fitsarana dia tokony hahazo rariny i Thierry Rakotoniarivo, satria fahasahiana goavana anie izany hoe mamoaka ny tarehimarika marina momba ny lisi-pifidianana izany ary indrindra fanajana tanteraka ny fianianana sy ny vahoaka tompon’ny fahefana, ny fahavononana hijoro toy ny nataon’ity filoha lefitra ity.

F’ireo mpitory dia azo lazaina hoe toy ny mamo miantso polisy ihany, satria ny olomarina indray no tsy ahaiza-miaina, ka dia ho raisimpotsiny eo, ary raha ny tokony ho izy dia ity filoha lefitra roràna tsy maimbo ity sisa no tokony ho mpikambana ao amin’ny Ceni, f’ireo nitory azy tokony ho roahina sy asaina mamerimbola, fa nanao « faute grave » sy « violation de serment», fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalamapanorenana tompon’ny teny farany, raha mikivilavila eo amin’ny famoahana didy dia ho tsarain’ny tantara, satria ho voahosotra tompon’ny meday volamena amin’ny fanaovana « faute grave » sy « violation de serment » ny andrim-panjakana tarihan’i Jean Eric Rakotoarisoa.