EDITO 10 Marsa – Coronavirus – Tsy mila tandrevaka ny fiarovana ny aim-bahoaka

Sôh’son
Na dia manome toky aza ny fitondrana, sy miezaka manazava ny saim-bahoaka hatrany ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka sy ny ekipany hampitony ny vahoaka, dia tsy mahasakana ny resaka mandeha eny amin’ny fiainana andavanandron’ny sarambabem-bahoaka ihany ny amin’ity valan’aretina coronavirus covid-19 ity.

Miainga avy amin’ireo mpampahalala vaovao amin’ny fitaovan-tserasera indrindra ny haino aman-jery no nahatonga izany. Ny fanazavan’izy ireo amin’ny fepetra noraisin’ny fitondrana manoloana ny fihanak’io valan’aretina io sy ny fipetraky ny fitantanana ny toekarena eto amin’ny firenena no tsikaritra.

Miferin’aina ihany ny maro rehefa injay mandre olona avy any ivelany any, indrindra avy any amin’ireo firenena itrangan’ny valan’aretina amin’izao fotoana izao. Ny tsikaritry ny maro, toa misy hatrany ny fileferan’ny tomponandraikitra, ka hahatafidiran’ny olona avy any ivelany any, na dia ambara ho efa nandraisana fepetra samihafa aza ho fisorohana.

Ho an’ny mpandinika sy mpanara-baovao maro eto amin’ny firenena, dia marefo ny firenena, ary ho kely endaka raha sanatria tafiditra eto amintsika io valan’aretina io. Iaraha-mahita tsara ihany koa ny fomba fiainan’ny vahoaka, sy ny fotodrafitr’asa misy eto eo amin’ny fiatrehana izany raha sanatriavina misy. Tsy mitovy amin’ny fiatrehana ny valan’aretina pesta ity resaka indray mandeha ity, fa tena zava-doza. Ireo firenena matanjaka sy mandroso ary manankarena toa an’i Italia, Frantsa Japon, Korea atsimo, sns… aza tsy mahafehy ny fihanahany, mainka fa isika tany mahantra ity. Izay indrindra no itakiana fepetra hentitra dia hentitra tokoa amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny hatrany an-tampony.

Efa tombony lehibe ho antsika ny maha Nosy antsika, hoy ny mpandinika iray, kanefa ny fahamailoana sy ny fiarovantena tsy tokony hatao an-tandrevaka velively. Ny ain’ny vahoaka aloha no voalohany sy zava-dehibe indrindra vao ny zavatra samihafa toy ny fiharian-karena mifamatotra amin’ny any ivelany, sy ny tetikasa kasaina ho tanterahina eto. Mandeha rahateo ny resaka ny ezaky ny fitondrana ho amin’ny fe-potoana hotratrarina amin’ny fanamboarana ny kianjaben’i Mahamasina momba ny olona sy ny fitaovana ho hampiasaina.