EDITO 7 Marsa – Ny vahoaka no mahalala ny tena andrasany marina

Sôh’son

Mampiasa ny teny mety amin’ny vahoaka mora arirarira sy very dia ny fitondrana, taorian’ny namoahan’ny teo anivon’ny Ceni, ny tsy fahatomombanana goavana nitranga tamin’ny fifidianana natao teto amin’ny firenena hatramin’ny taona 2009. Tsy mety amin’ny olom-pirenena sarotiny sy saropiaro amin’ity firenena ity anefa izany. Tsy fanakorontana velively ny fitakiana ny marina sy ampitoerana ny fahamarinana ho fototry ny fiandrianam-pirenena.

Mahavariana sy mampieritreritra fatratra ny fomba fisainan’ireo olona na izy ao anaty fitondrana na mpanohana ny fitondrana ny hikimpiana anoloan’ny toe-javatra tsy manjary tamin’ny fikarakarana ny fifidianana rehetra teo. Tsy azo arebireby amin’ny hoe ho fanatsarana ny amin’ny manaraka no namoahana ireny tranga ireny. Dia sanatriavina, odiana tsy hita izany ny tsy fahaizana namita an-tsakany sy an-davany, araka ny rariny sy ny hitsiny sy fahamarinana ireny fifidianana nampanaovina ny vahoaka Malagasy teo ireny?

Ny fifidianana no fototry ny zavatra hotanterahina eto amin’ity firenena ity, ka raha natao alasafay izany dia tena hadalana sy hadisoana bevava mihitsy. Volabe anefa no nanakaramaina ny tomponandraikitra, indrindra ny eo anivon’ny Ceni nikarakara izany. Ary tena fahasahiana lalina mihitsy ny nilazana ny amin’ny hoe “tsy misy tokony hametrahanay fialàna”. Atao an’izany ve ny fiainam-pirenena?

Zovy no tsy mahalala sy tsy mahafantatra fa raha tany amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana no nisian’ny raharaha toy izao, efa nahery vaika ny rivodoza fandroahana mpiasa na mety hiafàra eny amin’ny tribonaly mihitsy aza. Fa rehefa an’ny fanjakana dia avilivily sy anaovana teny fandrirarirana ny vahoaka. Sao dia lasa lavitra ity fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy sy ny firenena Malagasy ity?

Efa miendrika fanitsahana an-tampon-doha ny vahoaka izao, ka izay fahadisoana vitan’ny tomponandraikitra mpikarakara ny fifidianana hatrany amin’ny fitsarana dia asaina ekeny avokoa. Mbola ilàna vanona indray aza sy anilihana ny rihitra ny vahoaka ny amin’ny hoe “mandehana hamarino ny anaranareo”. Toy ny manao ny vahoaka ho zaza bodo mihitsy izany. Matoa ny vahoaka tsy marisika amin’izay dia misy tsy mety aminy eo. Fa tsy mila fanentanana akory izy rehefa mahita ny zavatra tomombana sy ara-dalàna ary mandeha amin’ny tokony ho rariny sy hitsiny araka ny fiheverany sy ny safidiny.

Tsy efa lany andro ve ny fampiasana teny tsy voadinika lalina atao amin’ny vahoaka amin’ny resaka fifidianana toy izao? Ny andrasan’ny vahoaka, ny fahamarinana ihany.