Karapanondro mitovy – Tsy avotra ny CENI na mandamin-dresaka aza

Ny Valosoa

Mbola nitafa tamin’ny mpanao gazety indray ny CENI, notarihan’ny filohany Hery Rakotomanana omaly, teny Alarobia. Tsy avotra ity rafitra mpikarakara fifidianana ity na niezaka nandamin-dresaka indray aza tamin’izany :

Eo anatrehan’ny savorovoro tato ho ato, manodidina ny lisi-pifidianana, dia mitondra fanazavana mba hampitony ny besinimaro ny CENI, hoy ny fanambarany.
Raha tsiahivina ny zava-mitranga, dia nanao fanambarana, manodidina ny famaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana ny CENI, ny zoma 28 febroary lasa teo, ary namoaka antontamarika vitsivitsy. Voalaza niaraka tamin’izany, ny isan’ireo olona manana karapanondrom-pirenena mitovy laharana ao anatin’ny lisitra. Niteraka adihevitra lalina teto amin’ny tany sy firenena izany, ary niteraka fanakianana mahery vaika ho an’ny CENI.
Marina fa raha atao fijery maimaika, dia tena manaitra tokoa ny zavatra voalaza, ka mahatonga ny sasany amintsika hiteny fa misy ny hosoka, na sanatria fanodinkodinana eo amin’ny fikirakirana ny lisi-pifidianana. Misy aza ny sasany amintsika dia mitady hevitra hanafoanana ny safidim-bahoaka, eo anatrehan’izany tranga izany.

Miangavy ny rehetra anefa izahay mba ho tony, ary hiara-hamakafaka sy hitsakotsako, ireto toe-javatra manaraka ireto, fa tsy hihinana amam-bolony :
1. Tsy olona miverina imbetsaka ireo (na doublon), fa olona samy hafa, manana karapanondro mitovy laharana. Noho izany, tsy mahakitika ny fahamarinan’ny fifidianana velively ireo, satria samy afaka nanatontosa ny adidiny tamim-pahamarinana, teo amin’ny fandatsaham-bato ireo olona ireo.
2. Tsy tranga vaovao ny fisian’io tsy fahatomombanana io, fa toe-javatra efa nisy hatrizay tao anaty lisi-pifidianana , nolovaina ary nitombo tsikelikely, nanomboka tany amin’ny fanaovazana ny lisitra (refonte) tamin’ny taona 2012.
3. Maninona no tsy voahitsy io tsy fahatomombanana io ?
Eo anetrehan’ny lalàna manankery eto amin’ny firenena, ny CENI dia tsy manana fahefana hikitika ireo zava-boarakitra ao anatin’ny lisitra, raha tsy eo anatrehan’ny tompony. Noho izany, raha tsy tonga eny amin’ny fokontany ny mpifidy manamarina ny mombamomba azy, dia tsy hisy mihitsy ny fanitsiana.
4. Nisy ny fitsirihana, nataon’ireo manampahaizana iraisampirenena ao anatin’ny OIF, manodidina ny lisi-pifidianana. Ny vokatr’izany fitsirihana izany, dia nanaovan’izy ireo tatitra teo anatrehan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra. Voaresaka tao anatin’izany tatitra izany, ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana. Fa ny filazana kosa, fa tsy mahakitika ny fahamarinan’ny fifidianana izany tsy fahatomombanana izany, dia nandroso isika mianakavy.
5. Nisy koa ireo nametra-panontaniana, nilaza fa maninona no izao izay vao manao fanambarana mahakasika io tsy fahatombanana io:
_ Voalohany, rehefa vita manontolo tao anatin’ny filaminana ny fametrahana ny andrim-panjakana rehetra eto amin’ny firenena, kanefa miverimberina matetika ny fanakianana manodidina ny lisi-pifidianana, dia nisafidy ny CENI ny hifototra amin’ny fanatsarana izany lisitra izany.
_ Faharoa, ao anatin’ny fe-potoana fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izao. Nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana desambra 2019, ary mifarana tanteraka amin’ny 15 may 2020 izao.

Ny tiana ho lazaina amin’izany dia tena ao anatin’ny fotoana hanentanana, mba hahafahana manitsy ny tsy fahatomombanana rehetra ao anatin’ny lisitra isika, ary izany ihany, no nanaovana iny fanambarana iny.

Ho famaranana ary dia fintininay amin’ny tari-kevitra telo ity fanambarana ity hoy ny ihany ny CENI:
1- Finiavana hanatsara sy fangaraharana no nitarika iny fanambarana iny.
2- Manentana ny besinimaro mba hanatona ny fokontany, hanamarina ny mombamomba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana, satria izany ihany aloha hatreto no fomba fanatsarana ny lisi-pifidianantsika.
3- Ny fisian’ny olona manana karampanondro mitovy laharana, ao anatin’ny lisi-pifidianana dia tsy mandiso velively ny voka-pifidianana, na manala ny maha lanim-bahoaka, ireo olom-boafidy rehetra, eto amin’ity firenena ity tsy misy ankanavaka.
Eo anatrehan’izany rehetra izany, dia mangataka ny rehetra izahay mba ho tony. Aoka hotohizana ny fahendrena izay notafian’ireo kandida politika hatreto, ka nampiaiky volana ny kaontinanta afrikana sy izao tontolo izao. Aoka ny tombontsoam-pirenena no hiarahantsika mibanjina. Aoka ny vahaolana eo amin’ny fanatsarana ny lisitra no hiarahantsika mitady .

Hita amin’izao fanambarany izao fa mbola tsy manaiky ho diso ihany ny CENI, fa mbola manamarin-tena. Rehefa voakitika ny lisitra, rehefa nisy karapanondro mitovy maro nampiasaina dia misy ny hosoka izay. Raha ny vokatry ny fanambaran’ny CENI iny, ny Antenimierandoholona sisa no andrim-panjakana voafidy ara-dalàna eto amintsika. Tsy ara-dalàna avokoa ny andrim-panjakana vokatry ny fifidianana tao aorian’ny taona 2018, manomboka amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny depiote, ka hatramin’ny ben’ny tanàna , mpanolotsaina monisipaly sy kaominaly.