EDITO 5 Marsa – Mila averina amin’ny laoniny ny fanajana ny fahamarinana

Radafy

Miezaka mamerina amin’ny laoniny ny tontolo iainany izay nosimbany ihany ny olombelona amin’izao fotoana izao. Misy ireo fihaonana an-tampony maneran-tany maro samihafa momba izany. Misy ny fifanarahana maro ihany koa ao anatin’izany, anisan’ny misongadina ny fifanarahana momba ny toetrandro COP na “Conférence des Parties”. Misy ny olana ao anatin’izany, fa tsy mazoto hanohy ny fifanarahana momba azy io i Etazonia. Dia sahiran-tsaina eo ny rehetra. Nametraka ny amin’ny mety ho olana momba izany ihany koa ny manam-pahaizana satria tsy ho ato ho ato akory no ho voavaha ny olana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fihafanan’ny tany. Ny vahaolana entin’ny firenena maro mantsy, ary ao anatin’izany isika eto Madagasikara, dia ny fambolen-kazo. Mbola aman-taonany anefa vao hiasa amin’ny tokony ho izy amin’ny fanadiovana ny atmôsfera izany. Eo ihany koa ny fahavoazana lehibe mitranga amin’ireo ala lehibe, izay karazany havokavok’izao tontolo izao, mitana anjara toerana lehibe eto amin’ity planeta tany ity, kanefa niharan’ny firehetan’afo goavana, ka aman-tapitrisany hekitara maro no kila forehitra. Tsy tafaverina vetivety anefa io fahavoazana lehibe io.

Tato ho ato naresaka ny olana amin’ny karapanondro doublon nampisaina teto amin’ny firenena nandritra ireo fifidianana hatrany amin’ny filoham-pirenena, ka hatramin’ny ben’ny tanàna sy mpanolotsaina farany teo. Tsy fahatomombanana goavana eo amin’ny fikarakarana fifidianana izany n’inona fanazavana sy fiarovan-tenan’ny tomponandraikitra rehetra mpisehatra amin’izany. Efa misy fahadisoana izany fa tsy manaraka ny fahamarinan’ny fifidianana satria nampiasaina nandritry ny fandatsaham-bato. Tsy azo ekena ny fanarontsaronana fotsiny izany amin’ny fanazavana atao, fa efa misy fiviliany ny fanatanterahana ny fifidianana tsy mandeha amin’ny hitsiny sy marina. Toe-javatra efa “simba” io fifidianana io hatrany amin’ny fikarakaran’ny Ceni azy, ary nohamarinin’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana (HCC), na dia efa hita niharihary ho tsy tomombana izao aza. Mbola nanampy azy amin’izany ihany koa ny Fitsarana miady amin’ny Fanjakana tamin’ny fifidianana farany teo. Ain-dehiben’ny firenena ny fifidianana, ka mila ho tomombana an-tsakany sy an-davany raha tiana hijoro tsara ity firenena ity. Raha tiana handroso marina ho amin’ny fahatsarana sy fahavanonana ny firenena dia mila apetraka sy mitombona ary atao mamàka lalina ny Fahamarinana. Ny ankoatra izay sy ny fikasana hihazona ny zava-misy hatramin’izay hijanona ho resaka fotsiny ny navoakan’ny Ceni teo, ka tsy hisy fanapahan-kevitra lehibe horaisina dia hampihitsoka ny firenena anaty tsy fahamarinana sy “fahamaizinana”. Tsy hahasoa ny firenena izany.