Nesorin’ny miaramila (CEMGAM) ny fiarovana ny Antenimierandoholona (Sénat)

Naboridànin’ny miaramila na ny CEMGAM ny Antenimierandoholona, araka ny tatibaovao nataon’ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotonirina Luc Marcel.

Nesorina omaly 4 marsa ny fitaovampiadiana rehetra misy basy sy bala, ary nasaina niverina kazerna ny miaramila tao amin’ny Lapan’Anosikely.

Tsiahivina fa andro voalohany niantombohan’ny fivoriana tsy ara-potoana andaniana ireo lalàna notapahin’ny filohan’ny repoblika nandritra ny fotoana tsy niasan’ny Antenimierampirenena koa omaly.

Manamboninahitra maromaro no tonga nitondra taratasy manome baiko ireo miaramila mpiambina ny Antenimierandoholona hiverina any amin’ny kaserna miaraka amin’ny fitaovampiadiana, ary kasaina ho alàna koa ireo pôlisy miaro ny filohan’ny Antenimierandoholona.

Midika inona izao fihetsika fanamaivanana andrimpirenena iray lehibe izao? Tsiahivina fa miisa dimy ireo andrimpirenena  tokony arovàn’ny miaramila: ny presidansa, ny primatiora, ny Antenimierampirenena, ny Antenimierandoholona ary ny HCC. Ka ho raisina fanaovana ramatahora ve izao fihetsika izao? Ary iza no tena manome ny baiko?

Vaovao MBS nangonin’i Lanzelo