Fanambarana – RMDM – Mangataka fampiatoana sy fanoloana ireo mpikambana CENI sy HCC

RODOBEN’NY MPANOHITRA HO AN’ NY DEMOKRASIA ETO MADAGASIKARA (RMDM)

FANAMBARANA

Nanambara ny CENI tamin’ny herin’andro lasa iny fa 1 162 512 doublons na olona manana karapanondrom-plrenena roa samihafa. lzany filazana izany dia fiaikena ampahibemaso na “aveu” fa tsy tomombana ny lisim-pifidianana nandritry ireo fifidianana nifandimby teto Madagasikara nanomboka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena izany ka nitohy tamin’ireo fifidianana solobavambahoaka sy ben’ny tanàna.

Satria iray tapitr’isa mahery ireo olona tsy ara-dalàna dia mazava ho azy izany fa tena mampiova ny vokam-pifidianana tokoa. Izany filazana izany ihany koa dia manamarina sy manamafy ny efa nolazainay hatramin’izay kanefa nodian’ny CENI sy ny HCC tsy nohenoina mihintsy, nolazaina aza fa “azo raisina fa tsy mitombina”.

Vokatr’izany dia tsy ara-dalàna izany ireo fifidanan rehetra natao teo Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2018 ary tsy manana ny atao légitimité ireo rehetra voafidy tao anatin’izany.

Noho izany dia rehefa nivory ny biraon’ny RMDM dia manambara izao fanapahan-kevitra izao:

  • Takianay ny fanafoanana avy hatrany ary tsy misy fepetra ireo fifidianana natao rehetra teto Madagasikara dia ny fifidianana filoham-pirenena, ny solombavambahoaka ary ny fifidianana ben’ny tanàna izany.
  • Ilaina ny firosoana avy hatrany amin’ny fanomanana fifidianana vaovao
  • Fampiatoana sy fanoloana avy hatrany ireo mpikambana ao amin’ny CENI sy ny HCC satria tsy azo hitokisana intsony ireo andrim-panjakana ireo.
  • Ireo no atao dia mba ahafahana mametraka andrim-panjakana eken’ny vahoaka Malagasy ary olomboafidy vokatry ny safidim-bahoaka marina.

Manentana ny vahoaka Malagasy rehetra noho izany mba sahy hijoro hatrany ahafahana mametraka firenena vanona mendrika ny vahoaka rehetra.

Antananarivo 3 martsa 2020
Mpitondra tenin’ny RMDM