HO ANAREO ENY AMIN’NY AVO

(ATOLOTRA HO FAMPAHEREZANA IREO MPANAO GAZETY REHETRA TRATRY NY TSINDRY)

Te hipetraka amin’ny avo hiandraikitra ny serasera
Nefa hay tsy mahatanty nony tratry ny tsikera?
Dia marary fo hatrany sy misento ny ao anaty,
Hany ka tsy manan-kevitra afa-tsy ny hamaly faty?

Te hipetraka amin’ny avo mba ho lohany hotahafina,
Nefa hafahafa toetra, (tena maha-te hiafina?)
Na ny fomba na fiteny, mampisento ny mpitazana.
(Ireny angamba ilay mahay kanefa tsy ampy fanabeazana!)

Dia ny hafa no tebahina ho “miteniteny foana”,
Saingy “ny arina eny an-tava”, toa hadino, tsy tsaroana?
Izany ve no olo-mendrika, izany ve no ho modely?
Sao dia manaratsy endrika ny ekipan-dry boaikely!

Moa hadino ny tantara sa niniana nofafàna,
Fony ilay ‘nareo tsy mbola tao anaty fitondrana,
Ka nampiaka-peo matetika vokatry ny fo mandroatra,
Avy eo anefa dia nifona noho ilay vava tafahoatra ?

Tamin’ireny raha nitranga ireo karazan-disadisa,
Nisy ve ny fandoavana volabe an-tapitrisa?
Moa ‘zahay no efa tranainy sy tsy mahatsiaro intsony,
Sa ‘nareo no manadino nony lasana eny ambony?

… Raha mipetraka amin’ny avo, mba fanteno izay havoaka,
Fa mihaino, mitsikera hatrany hatrany ny vahoaka.
Andeha amboary ny fiteny sy ny fomba amam-panao
Fa sao mirefarefa loatra sy tsy misy kalitao!

DADAN’i ZINA (01-03-20)