EDITO 20 Febroary – Aoka hazava ny fitandroana ny kolontsaina Malagasy

Sôh’son

Ny Malagasy sarotiny amin’ny kolontsainy no lazaina fa Malagasy miorim-paka. Tsy eken’ny sainy velively ny fampifangaroana ny kolontsainy na ny soatoaviny amin’ny fombam-bahiny mifanohitra amin’ny ny azy. Amin’izay fotoana izay mantsy ho lasa safiotra ihany koa ny kolontsaina, ka tsy mendrika ho lovain’ny taranaka any aoriana izany. Tsy azon’ny saina ekena ny fanamaivanana ny kolontsaina Malagasy amin’ny fomba fijery efa voasisika singantsingany an’ny vahiny ary takonana amin’ny hoe saina misokatra.

Izany fomba fijery saropiaro amin’ny maha Malagasy tanteraka izay, no tsy mety mangina, ary tsy maty eritreritra, ka sahiran-tsaina amin’ny fihetsiky ny fitondrana ankehitriny. Misy ny fikasana samihafa hotanterahina eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana amin’ny hanarenana azy. Nambara tamin’izany ireo pitsopitsony kasaina hotanterahina eny amin’io toerana manana ny maha izy azy io, sy maha izy azy ny soatoavina mbamin’ny hasina tsy maintsy tandrovina ao anatiny. Efa naneho ny heviny amin’izany ny avy amin’ny fikambanan’Andriana eto Madagasikara. Asa raha mba nihaino izany ny fitondram-panjakana. Ankoatra azy ireo dia misy ihany koa ireo olom-pirenena tsotra tena sorena ny amin’ny hampidirana zavatra tsy tokony hapetraka ao amin’io lapan’ny Mpanjaka io. Asa na nasiana fierana amin’ny olona mendrika hanontaniana izany na tsia, toy ny tetikasa kasaina tanterahina eny Ambohitrimanjaka.

Ny toerana manana ny hasiny sy lanjany amin’ny Malagasy mila fitandremana fa mety hampisy fiantraikany indray eo amin’ny fifandraisan’ny fitondrana sy ny vahoaka, izay misy elanelana hatrany. Hoan’ny olom-pirenena sasany dia tokony ho hihazakazahan’ity fitondrana ity ihany koa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny satroboninahitry ny Mpanjaka Ranavalomanjaka. Toa odiana tsy hita na tsy ambara izany, kanefa tamin’ny andron’ny tetezamita no nahaverezan’izy io. Manana ny lanjany sy ny hasiny ihany koa izany eo amin’ny Malagasy sy ny firenena Malagasy manontolo, ka tsy tokony havelavela amin’izao fotsiny toy ny tsy nisy.

Mandeha ila ihany ny fihetsiky ny fitondrana mihevitra ny hanarina ny Rovan’i Manjakamiadana sy io satroboninahitry ny Mpanjaka tsy hita io. Andrasana izay ho fihetsiky ny fitondrana ny amin’io raharaha io sy ny fikasany hanome lanja ny vakoka sy ny kolontsaina Malagasy.