HO ANAREO MPAHAY LALÀNA

Mbola vonona hijoro ve ‘nareo mpahay lalàna,
Ka hitsangana hanitsy ny hadalan-drafanjakana?
Sa dia efa leo tanteraka ka hangina tsy hiteny,
Manoloana ny tsy rariny izay miseho ombieny ombieny?

Mbola vonona hijoro ve ‘nareo mpahay lalàna,
Ka hametraka ny fefy ery an-dalana hombana?
Fa “soavaly tapa-tady” ny mpitondra firenena,
Ka itsahiny daholo irony tsara nambolena!

Mbola vonona hijoro ve ‘nareo mpahay lalàna,
Na mpisolovava izany na mpitsara eto an-tanàna?
Ka hitaona ny mpitondra hiverina amin’ny lala-marina,
Fa raha toy izao isika dia any an-kady no hivarina!

Mbola vonona hijoro ve ‘nareo mpahay lalàna,
Ka hanarina tanteraka ny sehatry ny fitsarana?
Sa horaisina ny vola dia hakimpy koa ny maso,
Sady avela hanjaka hatrany ireo dahalo sy malaso?

Mbola vonona hijoro ve ‘nareo mpahay lalàna?
Raha tsy vonona intsony dia mialà ka mandehana.
‘Ndeha esory irony akanjo ‘zay nampiavaka anareo,
Dia akombony koa ny vava raha efa maty feo!

DADAN’i ZINA (13-02-20)